Nahatratra 32% ny mpifidy nandray anjara hatramin’ny 12 ora raha 44% izany tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany, raha ny nambaran`ny Ivotoerana SAFIDY nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin`ny mpanao gazety omaly, ary raha ny fahitana azy omaly takariva dia manodidina ny 40% mahery kely izany raha toa ka 53% tamin’ny fihodinana voalohany.
85,3%n`ireo biraom-pifidianana indray no nahitana ireo delegen’ny kandida roa tonta. 40.2% n’ny biraom-pifidianana dia nisy mpanara-maso vahiny sy Malagasy ankoatry ny SAFIDY. Tao amin’ny 98,3%n`ny birao fandatsaham-bato dia afaka niditra tsy nisy sakatsakana na fanohitohinana ny mpifidy. 6,4% tamin’ireo biraom-pifidianana narahina maso kosa dia nahitana tranga mpifidy tsy ara-dalàna ka tao amin’ny 2,3%n`izy ireo nahitana fikorontanana mifandraika amin’ny fifidianana toy ny fahatongavana andian’olona ao amin’ny biraom-pifidianana. Niainga tamin’ny biraom-pifidianana miisa 470 miparitaka amin’ny distrika 31 ao anatin’ny faritra 7 iasan’ny Ivotoerana SAFIDY ny fanambarana natao. Ny Ivotoerana dia miely amin’ny biraom- pifidianana miisa 9.350 amin’ny 24.850 manerana ny nosy ka 7.350 ny mpanaramaso miasa mandritra ny androm-pifidianana amin’izany. Hatramin`izao, 38 ireo tranga voaray teo amin’ny Cellule de Veille eo anivon’ny ivotoerana SAFIDY, no manohy ny asany amin’ny fandraisana sy fikirakirana ny antotam-baovao ara-potoana. Ankoatr’izay dia nisy ny fandaharana mivantana naparitaka tamin’ny haino amanjery hahafahan’ireo nanatrika mivantana ny zava-misy mijoro vavolombelona. Noho ny tsy fisian’ny fanamarinana ireny antotam-baovao ireny anefa, dia lasa endrika tsaho sy lakolosy fanairana ihany izy ireny. Amin’ny ankapobeny dia nizotra araka ny tokony ho izy ary nihatsara ny fizotry ny fifidianana fihodinana faharoa androany 19 desambra raha miohatra tamin’ny fihodinana voalohany, hoy hatrany ny fanambarana nataon`ny ivotoerana SAFIDY.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.