• Talata 04 Janoary 2011
Finoana.Raharaha FPVM Anio no hatolotra ny fampanovana ireo olona enina

Olona enina, isan’izany i «Karàna», no efa eo am-pelan-tanan’ny zandary ao Betongolo hatramin’ny omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 03 Janoary 2011
Finoana.Lala Rasendrahasina Ny 23 janoary no mandray fitarihana ny FFKM

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) no handimby toerana ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) na Anglikana amin’ny fitarihana ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) mandritra ny taom-piasana 2011.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 28 Desambra 2010
Finoana.Raharaha FPVM Andrasana ny fanambaran’ny mpitari-piangonana

Mitodika tanteraka any amin’ny horonantsary mamoafady izay natao tao amin’ny eglizy FPVM ankehitriny ny sain’ny mpanara-baovao. Misamboaravoara be ihany ny vaovao azo noho ny tsy fisian’ny fanazavna ofisialy, hatramin’ny omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Desambra 2010
Finoana.Papa Benoît XVI Maniry ny hisian’ny fitoniana politika sy sosialy eto Madagasikara

Nahatsiaro manokana an’i Madagasikara sy ny Malagasy ny Papa Ray Masina, Benoît faha-16 nandritra ny vavaka firariantsoa sy fitsofandrano fanaony ho an’ny tanàna na firenena sy izao tontolo izao (urbi et orbi) amin’ny andron’ny Noely.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Desambra 2010
Finoana.Pastera Lala Rasendrahasina Nanazava ny amin’ny CNOSC

Nanamafy ny pastera Lala Haja Rasendrahasina filohan’ny Fjkm no sady filoha mitarika ny FFKM amin’izao fotoana fa nisy tokoa ny fangatahan’ny CNOSC fihaonana tamin’ireo raiamandreny am-panahy efatra mirahalahy ao amin’ny fiombonan’ny faingonana kristianina eto Madagasikara, nandritra ilay fivoriambe notanterahana tany Toliara farany teo.

Hamaky ny tohiny
FTT