Na dia mangingina sy tsy manao hetsika firy aza ny HMF na Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana dia tsy mitsahatra ny mikaroka ny vahaolana rehetra hahafahana mamaha ny krizy izay tena mbola mikiky ny firenena sy ny vahoaka, araka ny fanazavan’ny mpitandrina Roger Randriamisata.
Nambarany ary fa «tsy hijanona mihitsy ny HMF ary hijoro hatrany izahay». Fomba maro no hatao hiatrehana ny asa, eo ny fifandraisana eto anatiny, eo koa ny fifandraisana amin'ny any ivelany. Mijoro amin'ny maha Raiamandreny azy ny HMF ary tsy vonona hitazam-potsiny ny fahorian'ny vahoaka fa mivavaka sy miasa hahatafavoaka ny firenena ary hanohy izany hatrany mba ho Raiamandreny aro riaka amin'izay mety ho fihoaram-pefy ataon'izay mitondra na iza na iza izy. Ao koa ny fitaizana ny vahoaka hanaja ny fahamarinana hatrany. Mikasika ny fanendrena ny praiministry ny marimaritra iraisana sy ny nambara fa governemantan’ny fampiraisam-pirenena dia mazava ny hevitry ny HMF, araka ny fanazavan’ny mpitandrina Roger Randriamisata . «Ny anay dia efa mazava hatrany am-boalohany fa mila mifamela sy mihavana aloha isika vao miditra amin'izany fifidianana izany. Misy milaza hoe hanao fifidianana madio sy mangarahara.
Madio sy mangarahara amin'iza ? Nisy ampahan'olona maro tsy nifidy tamin’ny 17 Novambra 2010 na dia toa nezahina nakarina ara-tarehimarika aza ny taham-pandraisan'anjara ka dia ny mpomba ny FAT ihany no nifidy. Azo ambara ary ve fa tena fifidianana madio sy mangarahara marina izany nefa efa fantatra fa tsy ankasitrahan'ny maro ireo milaza ho mpikarakara azy ?». Nanambara ihany koa ity mpitandrina ity fa mbola misy foana hatramin’izao ireo mandrahona sy mampitahotra azy. Tsy vitsy ihany koa, araka ny nambarany, ny fampanantenana sy fampilendalendana amin’ny fanomezana vola be azy ireo saingy tsy niditra tamin’izany vela-pandrika izany ny mpitarika tao amin’ny HMF satria tsy vola fa ny fahamarinana no tadiavina, araka ny fanazavany ihany. Manahy ny avy ao amin’ny HMF fa sao dia olona minia mampidi-kizo ny firenena tsotra izao mihitsy ireo manosika ny HAT hanao fifidianana tsy misy fifamelana sy fampihavanana eto. Araka ny fantatra dia nisy ny fivoriana nataon’ireo mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana omaly hariva mba handinihana ny zavatra na ny hetsika tokony hatao amin’ity hoe fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy ity, hotaterina amintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
Sary : Ny mpitandrina Roger Randriamisata, mpikambana ao amin’ny HMF
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.