Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Tsy fotoanan’ny fahanginana izao fa mijaly ny vahoaka


  • Alatsinainy 07 Febroary 2011

Niavaka ny hetsika voalohany tamin’ity taona ity nataon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana tetsy Antsahamanitra ny sabotsy 5 febroary tamin’ny fisian’ny toriteny roa nolaroin’ny vavaka fifonana noho ny ratsy rehetra vita teto amin’ity firenena ity.

«Ny fitiavana tsy faly amin’ny tsy fahamarinana toy ny halatra, fisamborana, fanagadrana olona, lainga», hoy ny hafatra am-panahy nentin’ny Pasitera Philibert, «ny milaza ho mpitondra efa botrefona ary vao mivory fotsiny dia vola be kanefa ny vahoaka mitrongy vao homana. Ahoana tokoa no ahafahana mihavana nefa tsy fantatra akory ny fahadisoana ? Tsy maintsy manaiky ny otany aloha”. “Ambasadaoro ary Apostoly ny Kristianina”, hoy ny vatsim-panahy nentin’ny Pasitera Valisoa nosintoniny avy amin’ny Kor II, manambara ny tokony hihavanana amin’Andriamanitra aloha. “Mody Kristianina daholo ny rehetra nefa Kristianina sandoka”, hoy izy. “Ny feuille de route dia ny fihavanana amin’Andriamanitra fa tsy resaka politika na toekarena”.

Ranom-bavaka nitondrana vavaka manokana ho an’ny vahoaka malagasy, ny firenena malagasy, ny voafonja ary ny radio Fahazavana no setrin’izay. Rehefa izay dia hafatra fehezin’ny teny notsongaina tao amin’ny Isa.62/1 no natolotry ny HMF izay manao hoe : «Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinana tahaka ny famirapiratry ny Mazava». “Tsy mbola fotoanan’ny fahanginana izao ho anay Mpitondra fivavahana sy ho an’izay rehetra mahatahotra an’Andriamanitra, satria mbola mijaly loatra ny vahoaka Malagasy ary tsy mbola nisy toy izao, niseho teo amin’ny tantaran’i Madagasikara afa tsy tamin’ny andron’ny fanjanahantany angamba. Koa tena adidinay ny mampahery ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny tenin’Andriamanitra”, hoy ny mpitandrina Randriamisata Roger. Efa manana tranonkalam-pifandraisana (www.hmfmada.com) sy “Facebook” ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ankehitriny ahafahany mifampita vaovao.

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT