Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana «Mila mivondrona ireo rehetra hanelanelana»


  • Alakamisy 28 Aprily 2011

Nivoaka tamin’ny fahanginany ry zareo avy ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na ny HMF rehefa tsy dia re feo tramin’ny volana martsa teo.

Araka ny fantatra àry dia ao anatina fanomanana hetsika lehibe roa ireo mpitondra fivavahana dia izay hatao ny 11 mey sy ny 20 mey. Tsy azo hihodivirana ny Fifamelana sy Fihavanana, hoy ny HMF. Tsy vahaolana amin’izao krizy izao ny mifanenjika, hoy Randriamisata Roger, mpikambana mpanorina ny HMF sady mpitandrina ao amin’ny FJKM Ambohimamory. Karazana famelabelaran-kevitra arahina adihevitra momba ny fifamelana sy ny fampihavanana mialoha ny hanaovana izay ho fifidianana no hatao ny 11 mey. Araka ny vaovao dia olona telo no hitarika izany adihevitra izany. Ny 20 mey kosa dia fotoam-pivavahana sy fotoam-bavaka lehibe hitadiavana izay vahaolana amin’izao krizy izao no hotanterahana, mifanindran-dalana rahateo amin’ny fivoriana tsy ara-potoana hataon’ny SADC handinihana momba an’i Madagasikara.

Momba ny fanelanelana ihany dia heverin’ny HMF fa tsy tokony hiandry fotsiny izay ho tsoakevitra amin’io 20 mey io isika. “Mila miresaka, mila mivondrona ireo rehetra hanelanelana dia manao tambam-be hisiana fifamelana sy fifampihavanana”, hoy hatrany ny HMF. Tokony ho afaka hitarika ny fanelanelanana ihany koa ny FFKM, hoy izy ireo satria efa manana traikefa ho amin’izany ity vondrom-piangonana ity. Tetsy andanin’izany, momba ny fifidianana dia “torovohana” ny firosoana aminy hatreto, hoy ny HMF, ka mety hitarika toy izay zava-misy any Côte d’Ivoire. Tsy maintsy hirosoana ny fifamelana dia avy eo ny fihavanana, araka ny fahitan’ny HMF azy.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT