Finoana

Antoko Harena Miantso ny FFKM hampihavana ny Malagasy


  • Talata 12 Aprily 2011

Miantso fitoniana ary miantso ireo mahatsiaro ho raiamandreny toy ny Ffkm sy ny Cnosc ary ireo afaka hampihavana ny samy Malagasy ny antoko Harena.

Fantatra io nandritra ny fanokafana ny fitetezam-paritra ataon’izy ireo manomboka izao izay nosantarina tao amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra ka nihaonan’ireo mpitarika tamin’ireo mpikambana avy any amin’ireo Distrika Fito mandrafitra an’i Vakinankaratra ny sabotsy 09 aprily 2011 teo. Amin’izy ireo dia tsy hitondra fitoniana ary tsy ahazoana fankatoavana iraisam-pirenena ny amboletra ataon’ny FAT amin’izao fotoana, ary na dia nanao rangopohy ny sori-dalan’ny Dr Simao aza izy ireo dia mahatsapa fa tsy any amin’izay nifanarahana ny fanendrena ny Praiministra izay efa nitarika ny delegasionin’ny ankolafy Rajoelina sy efa niara-niasa taminy tao anatin’ny 15 volana.

Izay, hoy izy ireo, no tsy ankatoavan’ny vondrona iraisam-pirenena io governemanta io sy izay asa hataony eo. Takian’ny Harena ny hisian’ny fiaraha-mitantana tena izy hiantsoan’izy ireo hatrany ireo olona leo korontana sy izay mitady filaminana hiaraka hikaon-doha hamaha ny krizy izay tsy mbola afaka hatramin’izao. Mihevitra ity antoko ity fa ny fototra repoblikana izay mifototra amin’ny fifandimbiasam-pitondrana amin’ny fifidianana izay voizin’izy ireo no afaka handamina ny olana sy ny fanonganam-panjakana nisy teto Madagasikara. Takian’izy ireo koa ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ahafahana maneho hevitra ary tsy tokony hisy fanagadrana noho ny hevitra tsy mitovy.

 
Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT