Finoana

Famindram-pahefan’ny FFKM Voatsindry mafy ny fifamelan-keloka


  • Alatsinainy 24 Janoary 2011


Nampiraisin’ny FFKM latabatra teny amin’ny fiangonana FJKM Ambohipotsy ireo ondriny nizarazara lalana hatramin’ny taona 2009 no ho nankaty. Niara-nitoetra, niara-nitehaka, niara-niombom-bavaka ary nifampijerijery ihany koa anefa ireo mpanao politika mpifandrafy ara-poto-kevitra fa samy Mpino Kristianina, tonga namely ny fanasan’ireo Raiamandreny am-panahy efa-tonta tamin’izany. Nosantarina tamin’ny fanomezana sehatra ny ho filoha vaovao hitantana mandritra ny herintaona dia ny Mpitandrina, Rasendrahasina Lala Haja (FJKM) ny famindram-pahefana teo aminy sy ny filoha teo aloha Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM) izay nitarika ny fotoana.

Niainga avy amin’ny tenin’ny Soratra Masina notsongaina tao amin’ny Matio 6 : 5-15 novakian’ny Mgr Odon Arsène Razanakolona (EKAR), no nakany ny toriteny namelomany ny aim-panahy ny rehetra ary nanamarihany fa : «ao am-piangonana dia miaraka ny vary sy ny tsiparifary fa ny Tompo ihany no mahalala ny olony. Tsy maintsy mamela heloka vao havelan’ny Tompo heloka fa izay no nahatonga any i Jonah ho lanin’ny trondro. Ilaina ny fifamelan-keloka tsy misy fihatsaraham-belatsihy satria ny Tompo mahalala ny ao am-pon’ny tsirairay ary izy koa no tompon’ny teny farany.Ny fanamarinan-tena dia fahadisoana imason’ny Tompo. Hijoro amin’ny fahamarinana ny FFKM ary hampiasa ny rantsana rehetra ao aminy hitory ny fihavanana. Ho sarotra ny dia fa tsy maintsy hiray trano araka ny famaritana ny atao hoe “oikoumene” ny rehetra”.

Matoky anefa ny Kristianina nanotrona satria nentin’ny Pastora Rakoto Endore Modeste (FLM) am-bavaka izany rehetra izany. Ho anao tsy nanatrika teny an-toerana dia fantaro fa tsy mbola nisy tehaka nirefodrefotra ohatran’izany tamin’izay famindram-pahefana niseho teo anivon’ity FFKM ity hatramin’izay taona maro nijoroany izay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT