Finoana

Vondron’olon-tsotra any Alaotra Mila entina am-bavaka ny firenena !


  • Talata 12 Aprily 2011

Ny tolakandron’ny alahady 10 aprily teo, tao Ambatondrazaka, no nanambara ny mpandrindra ny Vondron’olon-tsotra any Alaotra fa hisy hetsika lehibe atsy ho atsy hitondrana am-bavaka ny firenena.

Ny fihatsaram-belatsihy sy ny avonavona ary ny fitiavan-tena no manjaka ka tsy mahagaga, hoy izy ireo raha roa taona tsy mbola mivaha ny krizy eto amintsika. Mila entina am-bavaka ny firenena, hoy izy ireo ka ny mpiara-belona rehetra eto amin’ity nosindrazantsika ity no hasain’izy ireo amin’izany. Toa nanjary hadino ankehitriny ireo fahendrena nananan’ireo Raiamandreny tany aloha tany izay nilaza fa aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha sy ny hoe : aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Betsaka, hoy ny Vondron’olon-tsotra any Alaotra ny fifankahalana nateraky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ka mila mifamela sy mangataka famindram-po avy amin’Andriamanitra.

Ao anatin’ny Karemy isika izao, hoy izy ireo, izay midika fa fotoana hahafahana mifona amin’Andriamanitra amin’ireo ratsy rehetra izay vitantsika, ka ho lasa olom-baovao avokoa ny Malagasy aorian’ny fankalazana ny fetin’ny Paska, dia hivalona hatreo ity disadisa tsy misy farany eto amintsika ity.

 
Niry R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT