• Alakamisy 22 Oktobra 2020
Fandriampahalemana.ANKATSO II Lehilahy mpangalatra saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Tafiditra anatin’ny faritra mena ny faritra Ankatso efa amam-bolana maro izao. Ankoatra ny vaky trano dia nahazo vahana ihany koa ny hala-botry ka tofoka tanteraka ireo mpianatra eny an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Oktobra 2020
Fandriampahalemana.Antsohihy Omby halatra 80 no tra-tehaka

Mirongatra indray ny halatr`omby. Sarona tao amin` ny kijany Antsalohavery, izay eo anelanelan' ny kaominina Ampandriakilandy sy Kaominina Anjalazala, ao anatin` ny distrikan' Antsohihy, omby maherin` ny 80 isa izay tsy nanana taratasy mazava.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 20 Oktobra 2020
Fandriampahalemana.Sambava Rongony 20 kilao indray no tratra

Jiolahy roalahy no saron` ny mpitandro filaminana nitondra rongony milanja 20 kilao izay nentina avy any amin'ny Kaominina Doany,

Hamaky ny tohiny
  • Talata 20 Oktobra 2020
Fandriampahalemana.Faritra mena i 67 ha Zazalahy roa indray no voaendaka rojo volafotsy

Tovolahy iray, 18 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny sabotsy teo teny amin’ny Bonarabe 67 ha .

Hamaky ny tohiny
  • Talata 20 Oktobra 2020
Fandriampahalemana.Tambajotran-jiolahy ikoizana Sarona niaraka tamin’ny rongony sy basy ary bala

Tratra nandritra ny hetsika nataon'ny Tobim-paritry ny zandarimaria Imerintsiatosika ny tambazotran-jiolahy iray ahitàna jiolahy ikoizana miisa folo (10) ao amin'ny kaominina Imerintsiatosika, ny 17 oktobra 2020.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 20 Oktobra 2020
Fandriampahalemana.Halatra sy vaky trano Lehilahy 4 no voasambotra teny amin’ny 67 ha

Lehilahy miisa efatra no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 ny zoma sy sabotsy ary alahady teo teny amin’ny faritra 67ha sy ny manodidina iny.

Hamaky ny tohiny
FTT