Fandriampahalemana

Alasora Tratra tao an-tranony ireo mpamaky trano sy mpanolana


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Tambajotran-jiolahy iray no ravan’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria

 

 

 

afovoany Atsimondrano Tanjombato, ny faran’ny herinandro lasa teo. Jiolahy mpamaky trano miisa telo izay efa tena hikoizana amin’ny asa ratsy eny amin’ny faritra Manandona, Doridosy, Merimanjaka, Ambohijanaka sy ny manodidina iny no tratra. Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto ary fiaraha-miasa avy amin’ny fitsarana. Rehefa natao ny velam-pandrika dia tratra teny an-tranony tao amin’ny fokontany Mendrikolovaina Kaominina Alasora izy telo lahy ireto tamin’ny 10 janoary lasa teo ho tamin’ny 07 ora maraina. 55 taona no zokiny indrindra ary 22 taona no zandriny indrindra. Marihana fa efa misy fitoriana maromaro mahakasika azy telolahy ireto tonga tao amin’ny kaomisaria afovoany Tanjombato noho ny resaka vaky trano sy fanolanana. Rehefa natao ny fanamarinana tamin’ny alalan’ireo olona nametraka fitoriana dia voamarina fa izy telo lahy no nanatanteraka ny fanafihana miaro vaky trano teny amin’izy ireo. Marihana fa mbola misy namany hafa roa ihany koa karohina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT