Fandriampahalemana

Ambohimanambola Tratra ny iray tamin’ireo namono zandary


  • Zoma 22 Janoary 2021

Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy 20 minitra dia nahazo antso tamin’ny

 

 

 

 

Fokonolona eo amin’ny Fokontany Ambohibato, kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, distrika Antananarivo Avaradrano, ny tobin-jana-paritry ny zandarimaria Ambohimanambola, fa misy trano iray nidiran'olona tsy fantatra ka novonoin'izy ireo ny olona mipetraka ao. Raha ny nambaran'ny mpilaza vaovao ilay niantso dia hoe Polisy no mipetraka ao. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary miisa 4 hijery ny tena zava-nitranga ka ny roa tonga nanakana ny lalana nitsoahan'ireo olon-dratsy. Ny fahatongavana teny an-toerana no nahafantarana fa zandary am-perinasa ilay nisy namono tao an-tranony ka tsindrona antsy no natao taminy. izy irery no tao amin’io trano io, hoy ny fanamarinana. I GPCE Randriamanalintsoa Guy Robena, marikisa 14.991, miasa ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Boeny io niharan'ny famonoana io. Efa any an-toerana ny kaomandin'ny vondron-tobim-paritra Antananarivo Renivohitra. Efa misy lehilahy iray anisan'ny nahavanon-doza no tratra amin'izao. Misokatra ny fanadihadiana ahafantarana ny anton'ny famonoana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray farany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT