Fandriampahalemana

Analamahitsy Tratra ilay mpangalatra entana anaty fiara


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Lehilahy iray 26 taona no tratra nangalatra zavatra tao anaty fiara teny akaikin’ny

 

fianarana Charmilles eny Ivandry ny Alatsinainy lasa teo. Taorian’ny fitarainana nataon’ireo olona mipetraka eny amin’iny manodidina ity toeram-pianarana ity sy ny fitoriana napetrak’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny amin’ny fisian’ity lehilahy ity izay mangalatra ny entana ao anatin’ireo fiara mijanona eny an-toerana dia nandray fepetra manokana ireo polisy miasa eny amin’iny faritra iny mba hisamborana azy. Tao anaty fiaran’olona mihitsy no tratra ity lehilahy io tamin’io afak’omaly alatsinainy io, tokony ho tamin’ny 08 ora maraina. Fiara efa nipetraka aloha io nidirany io. Nosamborin’ny Polisy avy hatrany ity farany. Mbola tratra teny aminy ny solosaina entin-tanana iray sy poketra iray. Nentina namonjy birao avy hatrany izy taorian’izany natao famotorana. Tsiahivina moa fa ity lehilahy ity no jiolahy fahatelo voasambotry ny polisy amin’ny fangalarana entana sy fitaovana ao anatiny fiaran’olona mipetraka eny amin’ny sisin-dalana tahaka izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT