Fandriampahalemana

Fampihorohoroana eny Ankadifotsy Mpanendaka 3 lahy vopaingotry ny polisy


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Faritra isan’izay tratra aoriana Ankadifotsy noho ny tsy fandriampahalemana.

 

 

 

Miaina anaty tahotra lemana ny mponina. Misy kosa anefa ny ezaka ataon` ny mpitandro filaminana. Taorian'ny fisafoana nataon'ny Polisy ny boriborintany fahatelo amin'ny alina teny an'elakelatranon' Ankadifotsy sy ny manodidina dia nifanena tamin'ny Polisy ity tovolahy nitondra antsy lava ity saika hanendaka ireo olona mody alina amin'iny faritra iny. Nambarany fa tsy izy irery no manao io asa ratsy io fa miaraka amin'ny tovolahy miisa 02 namany izay natorony ny misy azy ireo. Voasambotra ihany koa ireto namany ireto izay vao 15 taona. Fantatra taorian'ny fanadihadiana fa izy ireo no isany mpanendaka mamono sy mandratra olona eny amin'iny faritra iny. Tsy lavina fa misy ny ezaka ataon` ny mpitandro filaminana saingy mbola misy hatrany ny tsimatimanota ka ny vahoaka no maty tsy manota noho ny tsy fandriampahalemana. Mila miara-miainga avokoa ny fanarenana amin` ny sehatra sy ambaratonga rehetra mba tsy handringa raha tiana no hisy filaminana maharitra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT