Fandriampahalemana

Halatra moto teny Tanjombato Avy eny Itaosy sy Anosizato ireo jiolahy


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Jioalahy rain-dahiny miisa 2 no voasambotra ny 11 janoary teo tokony ho

 

 

 

tamin’ny 02 ora folakandro teny Itaosy sy Anosizato. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisehoana lahatra moto teny amin’ny jumbo Tanjombato ny volana novambra lasa teo. Moto namidy tamin’ny facebook no hitan’izy roalahy ireto ka nitarika azy hanatanteraka ny asa ratsiny. Nifanao fotoana tamin’ilay olona nivarotra azy teny amin’ny Jumbo Tanjombato ny iray tamin’izy ireo. Rehefa nisy ny fifanarahana dia tapaka fa hanao fanandramana ity farany ka nentiny avy any aoriana ny tompon’ilay moto, andrana izay natao teny an-toerana ihany. Rehefa tonga teo amin’ny Barrière-n’ ny Jumbo Tanjombato dia efa niandry teo ny naman’ilay jiolahy iray nisoloky fa hividy ny moto ka nodakan’ilay namany avy any oriana avy hatrany ilay tompona moto no sady niakatra teo ambony moto izy ary lasa nandositra. Loharanom-baovao sy fiaraha-miasa tamin’olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto ka rehefa natao ny angom-baovao sy ny vela-pandrika dia tratra teny an-tranony teny Itaosy ny iray niaraka tamin’ilay moto Kymco G5 izay efa niova loko ary teny Anosizato kosa ny iray. Marihana fa misy hifandraisana amin’izy telo lahy mpamaky trano tratra teny Alasora ity halatra moto nitranga teny Tanjombato ity. Natolotra ny fitsarana omaly izy ireo.

Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT