- Alakamisy 25 Aprily 2019
Edito.Mitsimbadika ambony ambany !
Ny olona sy ny fiarahamonina no natao hofehezina sy natao hanaja ny lalàna mba hampirindra sy hampilamina ny tany.
Hamaky ny tohinyNy olona sy ny fiarahamonina no natao hofehezina sy natao hanaja ny lalàna mba hampirindra sy hampilamina ny tany.
Hamaky ny tohinyResahina sy ventesina ny resaka fiandrianam-pirenena eto Madagasikara, ka lohalaharana amin’io ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Rehefa manonintohina ny tombotsoa politikan’ny mpitondra ny fihetsiky ny avy any ivelany dia ny hoe : tany manana ny fahaleovantenany sy ny fiandrianany i Madagasikara, ka aza hidinkidirana. Isan’ireny ilay raharaha toa mampifanolana ny Afrikanina Tatsimo sy ny Fanjakana Rajoelina, izay tsikaritra ezahina takona sy alamindamina amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohinyTelo volana latsaka kely nitondrana ny firenena ny filoha ankehitriny. Telo volana tsy hahafaha-mitsara azy amin’izay mety vitany sy tsy vitany angamba, saingy toa efa ahafaha-mamaritra ny politikam-panjakana hitondrana ity firenena iaraha-manana ity.
Hamaky ny tohinyTelo volana latsaka kely nitondrana ny firenena ny filoha ankehitriny. Telo volana tsy hahafaha-mitsara azy amin’izay mety vitany sy tsy vitany angamba, saingy toa efa ahafaha-mamaritra ny politikam-panjakana hitondrana ity firenena iaraha-manana ity. Amin’izay maha iaraha-manana izay, dia tsy an-dRajoelina sy ny ekipany irery akory i Madagasikara, ka hanaovana izay tian-katao sy izay hitsin’ny loha, ka zon’ny Malagasy rehetra ny miteny sy maneho hevitra eo anatrehan’ny zava-misy sy ny mety ho tsy fanjariana ataon’ny mpitondra.
Hamaky ny tohinyEkena fa firenena Kristianina isika ary tsy lavina fa teny ao amin’ny baiboly ny hoe miha ratsy izao fiainana izao.
Hamaky ny tohinyNirarakopana ny valin-kafatra avy amin’ny fitondram-panjakana mahakasika ny dian’ny filoha tany ampitan-dranomasina, izay efa faninefany tao anatin’ny roa volana mahery nitondrana ity firenena ity.
Hamaky ny tohiny