Edito

Edito Ilay “valala tsy an-tanana”


  • Alakamisy 13 Jona 2019

“Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza”, hoy ny fahendrena Malagasy.

 

Nampahatsiahivin’ny filoham-pirenena teo aloha izay nifaninana tamin’ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny fihodinana faharoa nandritry ny fifidianana farany teo io teny io. Mba azon’ny filoham-pirenena Malagasy amin’izao fotoana izao ve ny dikan’izany ohapitenenana izany ? Efa tsy anaty fampielezan-kevitra intsony isika. Ny zava-misy anefa dia mbola ezahan’ny fitondrana ankehitriny tohizana hatramin’izao ihany ny fampanofisana isan-karazany. Valalanina ianao mahita ny kabarin’andriamatoa filoha tamin’ireo Malagasy monina any Dilambato farany teo satria dia latsaka ambany ireny efa paradisa ireny ny eto an-tanàna. Isika rehetra samy mbola hampanantenaina ilay valala tsy an-tanana. Nihitsoka ny fifampiraharahana mikasika ny vidin-tsolika. Mbola miandry koa ny karama farany ambany 200.000 ariary. Asa na mba efa misy fototrana tranobe mijoalajoala ao anaty IEM mipetraka any ho any na tsia fa ny zavatra hita aloha dia serasera sy sarisary mipoapoaka lava izao no ezahana hanakonana ireo tsy fahombiazana. Navela kely aloha ny resaka fanarenana ny rova fa zara aza tafakatra CAN indray ny Barea dia ezahana sarihina any ny mason’ny maro. Tsara ny manohana ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra saingy mariky ny tena fitiavan-tanindrazana koa ny tena fitsinjovana ireo Malagasy mbola fadiranovana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT