Edito

Mahakely fanantenana !


  • Zoma 14 Jona 2019

Ny an-daniny milaza fa tsy mahazaka resy ireo mimenomenona eo anatrehan’ny filazana fa misy ny hosoka ara-pifidianana, fa fitia te hanakorontana fotsiny.

Ny an-kilany indray manamafy fa tena nanjakan’ny tsy ara-dalàna ary tsy azo ekena ny valim-pifidianana tamina faritra maro, ary saika nanerana ny Nosy ny teti-dratsy sy fandikan-dalàna. Mifandrirotra eo, saingy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no ho tompon’ny teny farany. Hiova ho lasa mitombina ve ilay fiteny malaza “azo raisina fa tsy mitombina” ? Efa ireny ny tenin’ny filoha tany Lafrantsa ny ampitson’ny fifidianana, fa mahazo toerana 80 ka hatramin’ny 90 ny vondron-kery tohanany. Mbola azo hantenaina ve ny hisian’ny fitsimbadihan’ny isa ka ho ambany lavitra noho ny noeritreretiny sy kajy politika na madio na maloto efa nataony ny depioten’ny filoha ? Tsy sanatria manakivy ireo miezaka ny miady mafy eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fa nisy ny hosoka sy ny fandikan-dalàna fa porofo tsy nisy ohatr’ireny zava-niseho tamin’ny fifidianana filoha toy ny voka-pifidianana 125% tany Atsimon’ny Nosy. Manomboka voizina sy toa mbola manome fanantenana ny hafa anefa ny mety hisian’ny fitsimbadiham-bokatra amina faritra maro, fa dia andrasana izay hiseho. Na izany aza, mila mandinika sy mijery lavitra ny mpanao politika, raha resaka fanoherana no resahina. Toa mitaky endrika hafa sy stratejia vaovao mihitsy io mba hisian’ny fifandanjan-kery.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT