Edito

Edito Mandroso mihemotra


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Mandroso mihemotra ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ankehitriny. Zava-misy hita sy ren’ny mpanara-baovao rehetra io fa tsy foronina akory.

 

 

Teo ny resaka karaman’ny mpiasa izay efa tokony hihoatra ny 2 etsy ariary saingy miandry an’Ambatobevohoka ny rehetra hatramin’izao. Iny indray ny tsipoapoaka fa norarana tsy ho azo apoaka dia azo apoaka tampoka indray, hono. Tsy maintsy midina ny vidin-tsolika, hoy ny filoham-pirenena, ny fiandohan’ity volana ity. Mbola nohamafisiny io tapa-bolana taorian’izay. Nihena tampoka anefa ankehitriny ilay feo avom-pahenterana nilazana an’io raha ny zava-misy hatramin’ny omaly aloha satria dia hoe hifampidinika ary hampiditra io resaka solika io ao anaty lahadinika. Tsy niomana ny ho filoha toy ilay napetrany ihany koa ve ny filoham-pirenena ankehitriny sa mbola mitoetra ihany ireo tarazon’ny tsy fahamatorana nampalaza ny fitondrana 2009 ? Inona no porofo mavesatra fa efa miainga tokoa ny IEM ? Raha misy tokoa ary ny enti-manana hanaingana azy, maninona no mandroso mihemotra lava ny fanapahan-kevitra ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT