Edito

Edito Inona indray no kajy ?


  • Talata 18 Jona 2019

Tontosa indray aloha iny ny fanambarana ny voka-pifidianana tsy ofisialy fanindroany nataon’ny vaomiera misahana izany na ny CENI.

 

 

 Vaovao goavana nanaitra ny maro ny fiaiken’ity vaomiera ity fa be ireo hosoka nitranga tamin’ny fifidianana depiote farany teo raha toa ka nolazainy fa nangarahara tsy nisy toy azy kosa ny fifidianana filoham-pirenena. Niova fo ve ity rafitra ity sa inona indray no kajiny ? Hatreto, sarotra ny hanala ahiahy aminy sy ilay rafitra mpiara-miasa aminy etsy Ambohidahy na teo aza iny fiaikena nanaitra iny. Ity no tonga amin’ilay filazana hoe fiovam-penitra mahery vaika no takiana amin’ny CENI sy ny HCC raha tiany ny hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka azy. Ho hita eo tokoa moa izay hafitsoky ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana afaka andro vitsivitsy. Inoana fa mba hisihisy kosa amin’izay angamba ireo fitoriana sy fitarainana ho azo raisina sady mitombina. Mahalasa saina ihany koa anefa ilay elanelana diso makadiry eo amin’ireo kandidam-panjakana sy ny hafa ary mbola mampamerina ilay fanontaniana hoe inona indray no kajy ? Sarotra mantsy ny hino fa ho maro ireo kandidam-panjakana hosaziana ka ho lasan’ny mpanohitra tampoka ny maro an’isa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT