Hisy avy amin’ny tafika Frantsay hanao matso eny Mahamasina amin’ny 26 jona.
Teo ambany vahoan’ny Frantsay isika no nitaky ny fahaleovantena. Tsy sitrapon’izy ireo velively ny hanafaka antsika, kanefa ireharehana ny handraisan’ny tafika Frantsay amin’ny matso amin’ny fetim-pirenentsika. Izao izany no ampahany tamin’ilay tsy mbola nataon’ny mpitondra tao anatin’ny 58 taona fa hatao ao anatin’ny 5 taona ? Mbola nampiasainy ny politikam-panjahana, ary na inona na inona fanazavana hatao eto, dia misy dian-tanan’ny Frantsay ny ampahany amin’ny antony mampikoroso fahana ny firenentsika. Nisy foana ny olona tao anaty tantaram-pirenena nampiasainy hamadika mivantana na an-kolaka ny tanindrazana. Raha zohiana, dia i Marc Ravalomanana sy Laurent Gbagbo filoha Ivorianina teo aloha ary ny Filoha Rwandais Paul Kagame irery no tena sahy nifanenjana sy tsy nikoso-maso teo anatrehan’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao. I Madagasikara sy i Rwanda irery no nahavita nampiakatra ny harinkarena faobeny ho 8% teo tamin’ny taona 2008, ary hita fa niha natanjaka taty Afrika. Naongan’ny olon’i Frantsay Ravalomanana fa i Kagame kosa afa-niala ary nanohy ny diany ny Rwandais fa isika kosa lasa faha-4 mahantra indrindra eto an-tany. Toa misy mpitondra tsy manan-kambo eto amin’ity resaka fahatongavan’i Paul Kagame eto ity, saingy ny soa tokoa angamba fianatra e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.