Edito

Ny omaly tsy miova !


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Nivoaka ny valim-pifidianana ofisialy vonjimaika. Afa-bela izany ny CENI. Asa aloha na hampiova zavatra ny fitoriana samihafa eny am-pelatanan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

 

 Saika efa mibitaka sy manao fety be mantsy ny ankamaroan’ireo mitarika amin’ny isa vonjimaika, indrindra ireo kandidam-panjakana. Mbola manantena sy mivavabavaka hitsimbadihan’ny vokatra kosa ireo kandida mahatsiaro ho lasibatry ny zavatra tsy ara-drariny. Toa lasitra ho an’ny fifidianana ho avy foana ny zava-nisy niainga tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy izao fifidianana solombavambahoaka izao. Nandeha ny kiana samihafa, nandeha ny fitoriana tamin’ny fifidianana filoha, kinanjo ny 99% dia azo noraisina fa tsy mitombina. Nandeha ny fifidianana depiote, ka toa maro no nanao izay saim-patany tamin’ny hala-bato sy hosoka. Efa manantena ny hisian’ny didy fakan-tahaka amin’ny azo raisina fa tsy mitombina ny sasany. Sarotra ny hisiana fitsimbadihana rasa goavana intsony amin’ny isan’ny depiote azo. Ny zava-misy, dia toa milaza sy maneso indraindray fa hadalan’izay tsy nanao hosoka sy nandika lalàna. Tonga dia hiroso amin’ny fifidianana ben’ny tanàna indray ary ve isika ? Mbola azo antoka ve ireo rafitra miantsoroka ny fifidianana izay efa namoaka tetiandro sahady ? Tena mila fandaminana goavana sy fitsipi-dalao madio ny politika sy ny fifidianana eto, mba tsy ho ny omaly tsy miova hatrany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT