Taratasy hoan'i jean

Tale jeneralin’ny fadin-tseranana Tsisy fandefasana “douaniers” any Addis Abeba izany


  • Alakamisy 23 Jona 2022

Tsy marina ny filazana fa misy ny fandefasana mpiasan’ny fadin-tseranana any Addis Abeba handeha hanara-maso ireo mpandeha Malagasy tonga any, hoy ny Tale Jeneralin’ny fadin-tseranana Atoa Lainkana Zafivanona Ernest omaly.

Mampihatra ny atao hoe: “attachés douaniers” amin’ny firenena izay misy tombotsoa na harena arovan’ny Fitondram-panjakana. Manana an’io ny fadin-tseranantsika any Paris, manana any Bruxelles satria any ny fiombonamben’ny fadin-tseranana, manana any Maurice satria mifandray be amintsika, any Généve izay misy ny rafitra ara-barotra maneran-tany. Raha ohatra ka ilaina ny fametraha “attachés douaniers” amina firenena iray noho ny antony manokana hiarovana ny tombotsoan’ny firenena dia miroso amin’izany Fanjakana, hoy ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana. Notsipihin’io tompon’andraikitra ambony io fa tsy zava-baovao izany fa efa misy. Nambarany kosa fa tsy manana “attachés douaniers” any Addis Abeba isika, ka ny tombotsoa rehetra na fiaraha-miasa dia iarahana amin’ny masoivoho, misy voambolana siantifika amin’ny fadin-tseranana. Indraindray ny vaovao azontsika misy be dia be, misy be di abe ny “spécialistes” dia ohatran’ny hoe: iny no marina, hoy ity ny Tale Jeneralin’ny fadin-tseranana Lainkana Zafivanona Ernest. Ny 01 aprily teo no nilaza ny minisitra mpitondra tenin’ny governemtana, Lalatiana Rakotondrazafy fa hisy fandefasana mpiasan’ny fadin-tseranana Malagasy any Addis Abeba/Ethiopie hisava ireo mpandeha avy aty Madagasikara. Ity minisitra ity ve no tian’ny Tale Jeneralin’ny fadin-tseranana sy toa nokianiny an-kolaka?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Taratasy hoan'i jean

  • Mampidi-kizo fotsiny no ataonareo !
  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Salama ve ianareo aty ry jean a.

  • Andrakandramanareo daholo ve e ?
  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Oh ry jean kely a ! Tena miaiky an'ilay

  • Hataonareo « double SIM »
  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

indray hono a !

  • Efa lehibe indray ve vao miadaladala e
  • Zoma 26 Janoary 2024

Ahoana ny fandehany ry jean kely a !

  • Taratasy hoan'i jean
  • Alarobia 10 Martsa 2021

Fitapitaka manarapenitra

Hijery ny tohiny
FTT