Mampidi-kizo fotsiny no ataonareo !

Salama ve ianareo aty ry jean a.


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Ary vitsivitsy ny akamanareo tazana nanatitra voninkazo omaly a.

Ary aiza ilay olona saika naterinareo teny toa tsy hita intsony e ? Sa moa efa tsy mifanaraka intsony indray.Izy iny anie ry jean kely nilaza hoe saika nataonareo sorona teny ambony teny e. Asa aloha e, fa hono ho aho ry jean : tsy efa nahavita revôlisiônina moa ianareo, tsy efa hoe nandrodana ny jadona a, tsy efa hoe apetraka eto ny kianjan'ny demokrasia ary malalaka ny fanehoan-kevitra a ? Fa asa hoe mitovy ihany ve ny hitan'ny masontsika ry jean fa toa revôlisiônina nitondra nankany amin'ny kizo anie ity nataonareo e. Ianao sy ny zanaka am-pielezanareo no sefo deba teto nandritra ny 15 taona izao fa tena resy ilay vahoaka e, potika ny tanàna, vao miha mafy be ny fanaovana ampihimamba ny varotra sy toekarena ary ny vazaha no manjaka amin'io, mitazatazana fotsiny ny Malagasy. Vary 1000 ariary ny kilao lasa 1000 ariary ny kapoaka.Ilay menaka 3500 sy 4000 ariary nanaovanareo vavabe hoe lafo, lasa 13 000 ariary, misy efa 15 000 ariary mihitsy aza. Ka ahoana ry jean aaa...mbola hanadio tena indray sa mba hanaiky fa tsy mamely ianareo ? Ary ianareo aza be fampanantenana intsony ry jean fa manjary mampidi-kizo sy mampidi-trosa ny taranaka faraa dimby fotsiny a. Izay aloha fa mazotoa mitsakotsakotsako tsara e.
Marco
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Taratasy hoan'i jean

  • Andrakandramanareo daholo ve e ?
  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Oh ry jean kely a ! Tena miaiky an'ilay

  • Hataonareo « double SIM »
  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

indray hono a !

  • Efa lehibe indray ve vao miadaladala e
  • Zoma 26 Janoary 2024

Ahoana ny fandehany ry jean kely a !

  • Taratasy hoan'i jean
  • Alarobia 10 Martsa 2021

Fitapitaka manarapenitra

Hijery ny tohiny
FTT