Hataonareo « double SIM »

indray hono a !


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Hono ho aho ry jean, inona indray izany hoe hanao fifidianana double SIM izany ?

Tsy hisy takona izay tsy hiseho anie e, na miresadresaka miafina any aza ianareo dia manan-tsofina ny rindrina. Asa aloha izay tena mampitombina azy na tsia saingy tsy atao mahagaga amin’ilay kajikajy efa fanaonareo hatrizay.Sady hifidy depiote izany no hifidy ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna ve ry Jean. Efa iaraha-mahalala ihany moa ilay hoe fahataperan’ny fotoam-piasana, fa izao aza e : ataovy matotra tsara ny fampahafantarana sy ny fanentanana, indrindra fa ilay fnisam-bahoaka sy fandrafetana ny lisi-pifidianana fa tsy mamely am-pitaka eo indray a ! Efa iny niaraha-nahita iny ireo olana tamin’ny herintaona, ka asa na mba efa hanitsy ianareo ry jean na hanao amboletra indray. Ny doublon efa nanahirana be ka raha fifidianana double no misy doublon dia ho raharaha ry jean kely a ! Ny olana anie ry jean dia lasa tsy rototra intsony ny olona, dia tsy mavitrika amin’izay asa heverinareo hoe hatao , dia io mihitsatra io ny fampandrosoana e.F’angaha misy mahavita tena irerey izany eto, misy zavatra tsy mainsy hifanomezan-tanana, fa rehefa hita kosa fa amboletra no ataonareo dia mitazana ny olona aloha. Ary ho ratsy io rehefa mitombo eo ny fahasosorana a. Asa ianao ity ry jean na mba nandinika ny tantara ihany, fa efa maro anie no nihevitra ny tenany fa mafy be no taraiky e.Ka diniho ihany mba tsy hifanomezan-tsiny rehefa avy eo. Izay jean a.. Oay saika adinoko ary tena tsy nahatafavoaka ilay CAN mihitsy ve izany isika e…kanefa io ilay zesta be nataonato tamin’ny 2018 anie ee..hoe ahita ny baolina rehetra ny Malagasy.
Marco mahara-baovao tsara.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Taratasy hoan'i jean

  • Mampidi-kizo fotsiny no ataonareo !
  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Salama ve ianareo aty ry jean a.

  • Andrakandramanareo daholo ve e ?
  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Oh ry jean kely a ! Tena miaiky an'ilay

  • Efa lehibe indray ve vao miadaladala e
  • Zoma 26 Janoary 2024

Ahoana ny fandehany ry jean kely a !

  • Taratasy hoan'i jean
  • Alarobia 10 Martsa 2021

Fitapitaka manarapenitra

Hijery ny tohiny
FTT