Taratasy hoan'i jean

Fitapitaka manarapenitra


  • Alarobia 10 Martsa 2021

Tena efa saika amin’ny herinandro ambony aho ry jean vao hanoratra fa tena sady

 

 

 taitra aho no nihevitra hoe sao dia fotosôpy ary ity sarinao manokana toerana fampiadiana akoho tany avaratra ity. Soa ihany fa tsy nanaraka anao tamin’io fotoana i mopera akamanao fa raha tsy izany dia WAIN be teo lery. 

Fa angah dia tsy nisy zavatra hafa notokanana intsony no dia toerana fampiadiana akoho sisa no niafarana? Sa rehefa hoe miseho dia izay no zava-dehibe aminareo? Ianareo anie ry jean efa mitondra izao e. Tsy mila propagandy sy mivandivandy. Efa tena miasa no ilaina fa tsy vedetisma intsony.

Mba fantatrao ve ry jean fa ianao anie ka modely ho an’ny ankizy e. Matoa ianao manokana toerana fampiadiana akoho dia midika izany fa tsara ary zava-dehibe ny fampiadiana akoho, na ny filokàna ao anatiny. Sa ve promesy prezidansiela iny? Raha samy hitazona ny teny nomena ry jean dia atomboy amin’ny zava-dehibe aloha ah. Ohatra hoe ny lalana mampitohy an’iny faritra SAVA iny, izay nilokalokanao fa tsy hanao politika intsony ianao raha tsy vita iny. Ireo ozinina isam-paritra nampanantenaina izao aiza ho aiza fa maro be no tsy an’asa ny Malagasy? Ny fandriampahalemana miaraka amin’ireo 4x4 mandeha amin’ny rano sy ny tendrombohitra tsy lazaina intsony fa dia miaina anaty tebiteby ny olona amin’ny faritra maro.Fara faharatsiny ry jean mba ilay lalana nataon’i rajao eny am bypass iny no tokanana rehefa tsy misy atao intsony kah. Sa ve sao tsaroan’ny olona fa tsy ianareo no nanao an’iny? Sa izay mintsy ve no tanjona? Dia izany koa izany no tsy hanokafana ilay seranam-piaramanidina vaovao etsy ivato? Dia mandra-pahoviana ry jean isika no hiaina fanambakana sy fitapitaka tahaka izany eto Madagasikara?

Milela-paladia aminao aho ry jean marina. Ianao no mitarika, ianao no modely. Aoka re izay ny fitaka fa maro be ny asa azo atao e. Mba banjino ireto taranaka Malagasy fa sao sanatria ho lasa mpampiady akoho matianina!!!

 

Marco

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Taratasy hoan'i jean

  • Mampidi-kizo fotsiny no ataonareo !
  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Salama ve ianareo aty ry jean a.

  • Andrakandramanareo daholo ve e ?
  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Oh ry jean kely a ! Tena miaiky an'ilay

  • Hataonareo « double SIM »
  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

indray hono a !

  • Efa lehibe indray ve vao miadaladala e
  • Zoma 26 Janoary 2024

Ahoana ny fandehany ry jean kely a !

Hijery ny tohiny
FTT