Andrakandramanareo daholo ve e ?

Oh ry jean kely a ! Tena miaiky an'ilay


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

fikanareo tia manandrakandrana ity aho nama a.

Hanao tsena mora e, dia ohatry ny sarotsarotra angamba ny tantana dia nozaraina indray hoe vary mora, menaka mora, siramamy mora Taitaitra teo indray ianareo dia niakatra grady ny resaka : trano mora indray hono eee...serasera re izao natao izao e. Raikitra ny antsapaka sy ny isan-tsokajiny.Nangina indray iny, niala tany indray ny hoe kaly mora, tonga dia loaka sy vary...fa tena hoe mandalo dia niserana e, tsy hita popoka intsony kanefa amin'izao fotoana izao no tena maro be no tsy ampy kaly eraky ny tanàna.Asa raha mba fantatrareo aloha izany ry jean. Efa voaresaka kely tao ny hoe fiara sy moto mora ho takatry ny rehetra fa dia eeee...tsy hita indray iny e. Azonareo indray avy eo ity hoe mila manatitra CV ity, asa hoe toerana sy seza mora indray ve io ry jean sa ahoana aaa. Fa ianareo ve moa tsy hoe efa nanana ekipa vonona ve sy nahavita fiarana, fiofanana tamin'ny 2018 e ? Ka inona indray ity hoe alefaso ny CV aty amin'ny 2024 ity ? Efa nahitana angano anie io fa niafarana tamin'ny bonbon sisety ny resaka kanefa noheverina fa avara-pi be ilay olona raha ny CV no nojerena e . Ankoatr'izay tsy efa nanandrana nanangana tanàna vaovao teny Ambihitrinima koa moa ianareo, ary ilay autoroute ee, manakory izy ao izay. Mafimafy hohanina angamba iny ve dia ilay teleferika indray no hihazakazahana ry jean. Dia ny Train Urbain, mba ahoana. Izaho ry jean mihevitra fa tena andrakandrana fotsiny no ataonareo eto fa tsy manana programa matotra ianareo a. Zay aloha fa mazotoa e.
Marco

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Taratasy hoan'i jean

  • Mampidi-kizo fotsiny no ataonareo !
  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Salama ve ianareo aty ry jean a.

  • Hataonareo « double SIM »
  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

indray hono a !

  • Efa lehibe indray ve vao miadaladala e
  • Zoma 26 Janoary 2024

Ahoana ny fandehany ry jean kely a !

  • Taratasy hoan'i jean
  • Alarobia 10 Martsa 2021

Fitapitaka manarapenitra

Hijery ny tohiny
FTT