Ao anatin’ny fivahinianan’ny filoham-pirenena Malagasy sy ireo mpanara-dia azy any Etazonia izao dia nohararaotin’ireo zokiolona mpitolona tsy tapaka etsy amin’ny Magro Behoririka ary anisan’ireo mivoy mafy ny fiverenan’ny filoha te aloha, Marc Ravalomanana
an-tanindrazana, ny alatsinainy teo, ny nanatitra taratasy mirakitra ny fitakian’izy ireo hampiharana an-tsakany sy an-davany ny voalazan’ny tondrozotra amin’ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany politika, ao anatiny i Marc Ravalomanana, ny famoahana ireo gadra politika mbola any am-ponja sy fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana tetezamita rehetra. Nandray ny solontenan’izy ireo an-kitsim-po ny mpiandraiki-draharaha amerikanina monina sy miasa eto amintsika ary nandray ny taratasy ka nilaza ny hampita izany avy hatrany tsy misy hatak’andro any Etazonia hoentin’ny rehetra ao anatin’ny dinika Etazonia/Afrika mandeha ankehitriny. Mbola milaza ny hanatitra taratasy hafa eny amin’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina Andraharo koa ry zareo ato ho ato ary ao amin’ny Ambasadin’i Afrika Atsimo aorian’izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.