Dinika fanavotàm-pirenena

«Miha mibaribary ny


  • Alarobia 21 Oktobra 2026

finiavana politikan’ny mpitondra…»

Ny Dinika fanavotàm-pirenena na DFP sy ny fanorenana ny rafi-piarahamonina malagasy ary ny rafi-pifidianana no lohahevitra mandritry ny velankevitra arahina adihevitra ho tarihin’ny hetsika DFP etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina rahampitso alakamisy 22 oktobra 2026, hoy ny mpitarika ity hetsika ity, Maharavo Ratolojanahary na Doudou, omaly. Ireo no tena lohahevi-dehibe izay nanasàna olona maro tsy anavahana, hoy izy. Ahitàna mpizara hevitra na «intervenant» samihafa koa eny. Isany ny mpivoy ny rafitra Kianja Maitso, Gérard Ramamimampionona. Isany koa ny avy ao amin’ny KFIM. Ao koa ny VFKF na Vovonana famerenan-kasina ny fokonolona. Ireo izany no hamaly ny hoe ahoana ny fanovàna ifotony ity rafi-piarahamonina malagasy ity sy ny rafi-pifidianana? Iaraha-mahita tsinona ary tsapan’ny rehetra izany fa tsy ny DFP irery hoe tsy mandeha amin’ny laoniny izao rafi-piarahamonintsika izao. Tsy hitondra antsika any amin’ny fandrosoana na oviana io. Isaorana Andriamanitra, ny miaramila, ny fitondràna manaiky hiroso amin’izany fanavaozana ifotony izany. Ny tanjona dia hoe mila manapaka tady amin’ny fomba fanao politika, fitantanana toekarena, fitantanan-draharaham-panjakàna sy ny maro nahazatra teto amin’ity firenena ity hatramin’izay nahazoana repoblika i Madagasikara. Hita tato ho ato izao fa miha mibaribary ny finiavana politikan’ny mpitondra hanapaka ny tady amin’ny fanjanahantàny. Hita tamin’ny kabarin’ny filohan’ny fanavaozana tany Antsohihy izany. Matoa nisy tolona nataon’ny vahoaka malagasy teto dia satria nisy tsy rariny nataon’ny mpitondra. Ny sata afrikanina momba ny demokrasia sy fifidianana dia manery antsika malagasy hiaraka hitantana nefa tao nisy olona nangalatra sy nanao tsinontsinona vahoaka. Tsikaritra mba efa te handrava izany fomba fanao izany izao ilay fitondràna fanavaozana. Mety ilay fitondràna hanao fanavaozana ka iantsoana ny malagasy rehetra liana amin’ny fanorenana ny rafi-piarahamonina sy ny fifidianana eto ho tonga ao amin’ny Le Pavé amin’io alakamisy 22 oktobra io. Ho aravina anaty tahirinkevitra iray avy eo izay hevitra voaangona ao dia ho entina any amin’ny filohan’ny fanavaozana, ireo rafitra ara-tafika, FFKM ho tahirinkevitra ho entina hiadian-kevitra any amin’ny fikaonandoham-pirenena. Mila tahirin-kevitra isika mba tsy himenomenona fotsiny rehefa miresaka fanorenana sy fanovàna, hoy hatrany ny DFP.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

Hijery ny tohiny
FTT