tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…
Raharaha isan’ny tena mbola hanjakan’ny kolikoly ny resaka fananan-tany, ary ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael aza vaky vava amin’io tao anatin’ny fanambarany ny talata teo teny Ivato, ka niantefa ihany koa amin’ny tontolon’ny fitsarana sy ny fananan-tany. Saika olana manerana ny nosy io, fa isan’ny nitana ny sain’ny maro ny resaka ady tany tao Nosy Be Hell Ville. Maromaro ireo tranga hita tamin’ny fidinana ifotony tany an-toerana ny volana septambra teo, ka anisany ny raharaha « Résidences d’Ampasikely » TNº2402-BO sy TNº2922-BO ao Ampasikely, Dzamandzar, izay niova ho « Moya Beach » taty aoriana. Amin’ny ambangovangony, voalaza fa voahilika ny nanajary ny tany sy nanangana ireo fotodrafitrasa, ary nitsimbadika tamin’olon-kafa izay tsy nifampivarotra taminy ny fananana. Re fa efa nisy dingana sy fanairana samihafa na teo anivon’ny Minisiteran’ny fananan-tany na teo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana nataon’ilay vazaha antsoina hoe Gilles Daheron hanafoanana ny fanapahan-kevitra laharana 004/22-MATSF sy ireo didy samihafa naterany. Asa izay niafaran’ity raharaha ity sy ny mety fanapahan-kevitra mifandraika amin’io satria mbola tsy nahenoana akony aloha hatreto ny raharaha, ary nisafidy ny tsy hamaly sy miandry am-panajana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny lasibatra, raha nezahana nanontaniana ny tohiny, taorian’ireo adihevitra mafana sy dingana samihafa. Efa nisy ihany koa ny fiezahana nanatona tompon’andraikitra isan’ny voatonontona tao anatin’ity raharaha ity ny volana septambra, saingy tsy azo hatramin’ny farany hatreto. Nezahina nantsoina ihany koa ny mpisolovava. Moa ve vokatry ny fandrahonana imasom-bahoaka tany Nosy Be sa antony hafa mihitsy ? Asa izay mety ho fanapahan-kevitra indrindra eo anatrehan’ny fanairana sy fanomezan’ny PRRM toromarika mikasika ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny governemanta izao ? Raha hiverenana tsiahivina fotsiny, dia nanamafy i Gilles Daheron ary nanaporofo ara-taratasy fa efa tamin'ny taona 2004 no nanomboka ny fangatahana fanofana maharitra « bail emphytéotique » ny tany, ary nanomboka nanangana fotodrafitrasa fizahantany sy toeram-pandraisam-bahiny tao amin'ilay toerana izy taona vitsy taorian'ny nahazoany fahazoan-dalana ara-panjakana. Efa nisy fanamarinana ofisialy ny fampiasam-bola sy ny fanajariana nataony tamin'ny taona 2016. Namindra ny ampahany tamin'ny renivolan'ny orinasa fandraharahany (bail commercial) tamin'ny mpampiasa vola hafa, tsy nivarotra na namindra ny fananany dia ny trano sy ny fotodrafitrasa naoriny velively, tsy niala tamin'ny fangatahana fanofana maharitra nataony velively, izany hoe tsy nanao « désistement ». Raha ny fanazavana efa nataony tamin’ny alalan’ny mpisolovava, « Bail commercial » na ny fandraharahana tao amin’ny toerana no nifanaovan’i Daheron Gilles tamin’ny vazaha iray Patrice Lagrue, ary io indray no nivarotra ny fandraharahana tamin’ny mpivady Motard, fa tsy ny fananana, saingy nitsimbadika lasa ny tany sy trano,… « Tsy afaka mivarotra ny fananana izay tsy ahy aho », hoy ny ampahan-tenin’i Patrice Lagrue, raha nohadihadiana natao azy tany Nosy Be. Eo no isan’ny mametraka ahiahina kolikoly goavana satria nanamafy i Gilles Daheron fa tsy nivarotra ny trano sy fananana naoriny tamin’ny mpivady Motard, kanefa lasa nisoratra tamin’ireo, ary tsy mipetra-potsiny ireo mpifanandrina hatramin’izao fa mitady lalana ambanin’ny tany… Rehefa nanontanianay moa ny lasibatra tamin’ny fanadihadiana natao dia nilaza ihany koa fa tsy misy antony itoriana any amin’ny Bianco na PAC fa efa fantara fa tsy misy tohiny. Asa hanao ahoana ny tohiny amin’izao Fanjakana fanavaozana izao?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.