voajanahary tokony jerena akaiky»
Hisy ny fampihaonam-be na «grand retrouvaille» hiarahan’ireo teraky ny distrikan’i Manja eto Antananarivo, izay ho tontosain’izy ireo eny amin’ny INFA Androhibe ny alahady 25 oktobra 2026 izao, hoy ny fampitàm-baovaon’ny Fikambànan’ny terak’i Manja na FITEMA eto Antananarivo omaly. Fotoana tokana ifankafantaran’ny zanak’i Manja, izay ela tsy nihaona eto Antananarivo io, hoy ny fanazavàn’ny filohan’ny fikambanana, Zavelo Celestin Marcel. Fotoana hitondràna ny anjara biriky hampandrosoana an’io distrika io koa izany, hoy izy. Vary sy kaopy sy lovia fotsiny no entanina ho entin’ireo izay hoavy amin’io fotoana io fa iantohan’ny fikambanana ny ambiny rehetra, hoy ihany izy. Nandalo fotoan-tsarotra ny fikambanana taorian’ny taona 2013, izay niforonany, hoy kosa ny sekretera jeneraly, Razafitombo Alfin, noho ny toe-draharaha samihafa teto amin’ny firenena ary taty amin’ny taona 2018 indray vao afaka namelona azy. Nisy tranga indray avy eo, hoy izy, dia natoritory ny taona 2024 ary izao indray izany no tonga ny fotoana hameloma-maso azy. Tsy maintsy atao ny fameloma-maso satria distrika isan’ny sarotra izany Manja izany. Raha any Atsimo ianao dia mandalo an’i Toliara vao mihazo an’i Manja. Raha avy any Andrefana dia mandalo Morondava aloha. Tsy maintsy ny lafiny sosialy aloha izany no antony hijoroan’ny fikambanana eto Antananarivo satria lavitra ilay toerana. Raha sanatria misy ny marary na fahoriana dia ny fikambanana no mandray an-tanana izany. Izay no anton’ilay fifankafantarana sy fifaneraseràna matetika mba tsy hatory foana ny fikambanana. Efa be dia be ny asa vita toy ny resaka fanentanana ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin’ny oniversite satria matetika ny mpianatra avy ao Manja dia ny oniversiten’i Toliara ihany no fantany. Eo koa no akaiky kokoa ny ray aman-dreny, noho ny halaviràn-tany. Efa be dia be nefa ny oniversite. Feno zanak’i Manja izao manerana an’i Madagasikara ary efa miparitaka manerana ny nosy ny fikambanana. Maherin’ny 400 ny mpikambana FITEMA eto Antananarivo, izay misy ny foibe nasionaly, hoy hatrany ny tenany. Azo lazaina ho mbola milamina ny fandriampahalemana sy fihariana ao Manja ka isaorana ireo OMC rehetra anivon’ny distrika sy faritra, hoy ny fanampim-panazavàna. Tena tsy ampy kosa nefa ny fotodrafitrasa eo amin’ny lafiny fampianarana. Betsaka ireo tanora tsy an’asa. Tsy zarizary ireo kianja fanaovan’ny tanora fanatanjahantena manerana ireo kaominina miisa 7. Fokontany miisa 4 amin’ny 12 ihany no misitraka ranon’ny JIRAMA rehefa atao ny tombana. 70 ireo fokontany mandrafitra an’i Manja. Samy manana vavarano azo ametrahana tohadrano ny ao Manja ka mila jerena akaiky ny hamahàna ny olana satria maizina foana ny tanàna. Maro ireo harena voajanahary tokony jerena akaiky hisarika mpizahantany toy ny «Allée des Baobab» ao Andranopasy sy ny Amalo, ao Anjaloaky. Mitongilana ny saram-pitaterana mampifandray amin’i Manja satria 50.000 Ariary ny avy ao Manja mankany Morondava, raha toa ka 60.000 Ariary ny miverina. Lalana tsy ampy 200Km izany nefa lalana tsy dia mifankaiza amin’izay koa ny avy eo Morondava mihazo an’i Belo Tsiribihina fa 35.000 Ariary, raha ny fitarainana sy fanazavàn’ity fikambanana ity hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.