Efatra taona nametraka ny rafitra sy ny olony mba haharetany eo amin’ny fitondrana ny HVM, ary poizina ho an’ny firenena ny mbola hijanonany eo sy hifehezany ny rafitra rehetra, indrindra fa amin’ny fifidianana.
Efa barofom-pitondrana mihorina amin’ny fandrombana harena no nampiasain’ny HVM, ary isan’ny nanaovana izany ny lalàna rehetra. Ny fidiran-dRajaonarimampianina ho kandida, dia efa ady hevitra, ny nahafahany nanendry praiminisitra, ny nananany depiote HVM, ny nahatonga an’i Rivo Rakotovao ho filohan’ny antenimierandoholona. Izay toerana rehetra nahazoan-dRakotovao namely ny HVM no noteteziny, ary ny làlana nizorany ihany koa dia nanao izay fomba rehetra hahatonga azy ho Filohan’ny Repoblika, hoy i Constant Raveloson tamin’ny fakan-kevitra natao taminy. Izy ilay niasa ho amin’ny tombotsoan’ny mpiremby ny mpandroaka harena fotsiny no mahatonga mpitondra azy hanao an’izay. Ny mpiremby no natao tandapa, dia ireo no nanao izay tiany, hoy izy. Ny niandohan’ny tolona dia lalàmpifidianana, ary nibaribary fa ny rafitra rehetra no mpanosihosy lalàmpanorenana avokoa, niainga tany amin’ny filoha, governemanta, depiote, loholona,...ao anaty fitondrana. Hatrany amin’ny fampianarana, dia mandeha ny kolikoly isan-karazany hatrany amin’ny Oniversitem-panjakana. Tena zava-doza mampioron-koditra ny hoe ny tanora mba tena mianatra sy manomana fifaninana amina asa mpitandro ny marina sy ny ara-dalàna, dia lasibatry ny kolikoly. Ny fifaninana hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana, dia misy zavatra manala-baraka be, ary ny minisitry ny fitsarana isan’ny voatononana anarana satria niditra izy tenany isan’ny nandoro taratasim-panadianana, hoy hatrany I Constant Raveloson. Tsy foronina hoe “miala daholo daholo”, fa rehefa zohiana dia ny rafitra manontolo mihitsy no mila fanadiovana. Tsy mbola nisy fifampitoriana ara-politika betsaka toy ny tamin’ity fitondrana ity teo amin’ny tantaran’I Madagasikara, ka isan’ireny ny resaka fampiharan-dalàna sy didim-pitsarana, izay matetika tratry ny fanitsakitsahana.
Tsy afaka mijanona fotsiny amin’ny hoe atao amin’ny ara-dalàna sy ny lalàmpanorenana ny fifidianana, fa mila harodana ny rafitra rehetra hatrany amin’ny Vaomiera misahana ny fifidianana. Tsy maintsy mitady ny fomba hanohizana hiadivana amin’ilay kolikoly, hiadivana amin’ilay fanosihosihosena ny lalàna. Na vitan’izy ireo amin’ity ilay izy, ary mety izay no mahatonga ny tolona eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey hoe tsy mionona amin’ny hoe fanovana governemanta ka inoana fa tsy hijanona io, hoy i Constant Raveloson.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.