Am-perinasa tanteraka taorian’ny nametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny toerany ny lehiben’ny faritra Sofia Atoa Zaraniaina Tohanaina Ernest.
Tsotra sady mazava ny tanjona ho azy dia ny fampandrosoana ny faritr’i Sofia, tsy hisy ny zanak’ikalahafa fa dia atao mitovy tantana ny asa fampandrosoana ireo kaominina rehetra. Manankarena ny faritra Sofia, manana manampahaizana sy olomanga maro ihany koa, ka tsy tokony hisy ny olana amin’ny fampandrosoana ary tena mahatoky izany ny filohan’ny faritra. Fantatra fa hotokanana atsy ho atsy ny Bloc operatoire na trano fanaovana fandidiana any an-toerana, eo ihany koa ny tranompokonolona vaovao ary ho avy tsy ho ela ny fizarana moto ho an’ireo delegem-paritra. Tsara ho fantatra ihany koa fa misy ireo orinasa vahiny efa nilaza ny fahavononany hampiasa vola any Sofia ka anisan’izany ny Madagascar aluminium eo amin’ny resaka fitrandrahana aluminium sy boxite sy ny Groupe Funreco misahana ny resaka fambolena fary hakana Ethanol izay azo ampiasaina tsara amin’ny famokarana herinaratra any ambanivolo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.