Zava-doza no nataon’ny mpitandro ny filaminana teny Ankatso ny alatsinainy lasa teo, hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena.
Manan-jo haneho hevitra sy hitokona ny olona fa tsy misy izany manan-jo hidaroka izany. Afaka mitory ireo nikasi-tanana azy i Jean pierre ka mitondra « certificat medical » avy any amin’ny mpitsabo hanaporofoana fa naratra na nitondra takaitra noho ny vono nahazo azy izy. Fantatra fa niresaka tamin’ny jeneraly Paza Didier, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ity olom-boafidy ity ary nilaza itsy voalohany fa tsy maintsy hosaziana ireo zandary tsy nahafehy tena ary nidaroka an’i Jean pierre teny Ankatso ny alatsinainy lasa teo. Fanambarana izay mandiso tanteraka ny filazan’ny jeneraly Florens nilaza fa rariny sy hitsiny ny nataon’ireo zandary. Manara-maso akaiky ity raharaha ity ny rehetra ary dia miandry raha tena hanasazy ireo zandary nania tokoa ny lehibeny na be resaka mba hampitony fotsiny. Raha ny amin’ny resaka mandeha eny amin’ny Antenimeram-pirenena eny kosa dia tena hitrikitrihako etoana fa mbola tsy nahita maso an’izany “Mémorandum” nolazain’ny filoham-pirenena fa tonga eto Tsimbazaza izany ary mbola tsy nisy nanatanteraka izany sonia voalaza fa nisy efa nanao izany izahay rehetra ao amin’ny vondrona parlemantera TIM ety amin’ny Antenimieram-pirenena. Raha ny amin’ny hoe : misy mitady seza sy toerana mafy ho ministra sns… izahay solombavambahoaka ankehitriny dia sahiko koa ny manambara, raha ho ahy Depiote Hanitra Razafimanantsoa manokana, fa tena marin-toerana tsara aloha ny andraikitra tazoniko ankehitriny sady mety amiko tsara koa izany toerana misy ahy izany/ Sady ohatran’ny mampanalasala koa izany hoe ho lasa hibaikoan’ny olona efa notsipahinao fitokisana izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.