Politique

Zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa Miahiahy amin’ny fifandraisany amin’ny fitondrana ankehitriny


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Tsapan’ny andiana raiamandreny avy any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa ankehitriny ny fivadihan’ny fitondrana amin’izy ireo noho ny antony maromaro.

 Anjorom-bala ny zanak’ity faritany ity, hoy izy ireo, satria tsy anisan’ireo mpisitraka tombontsoa ao anatin’izao  fitondrana izao na dia nanohana azy mafy aza tamin’ny fifidianana, hahazoana io toerana io, sady nahazoan’ny filoha am-perinasa vato be indrindra io faritany io, hoy ry zareo, no mbola zanak’i Fianarantsoa ihany koa ny iray tamin’ireo kandidà nanome toerana azy « Jules Etienne » tamin’ny fotoanandrony nefa tsy nahazo valim-babena akory. Midangana ny isan’ny teraky ny faritanin’i Fianarantsoa notsipahin’ny fitondrana ka nongotana manta tamin’ny toerany ankoatra ireo tsy nomena andraikitra ambony tandrify ny fahaizany mihitsy, raha atao ny antontan’isa, araka ny fanazavana voaray avy tany Fianarantsoa omaly. Manginy fotsiny ny fanavahana ny mpandraharaha avy any an-toerana izay nampangaina tamina raharaha kolikoly nefa tsy voarohirohy ireo mpiara-komana taminy avy tamin’ny faritany hafa. Mbola tohin’ny fanilihan’ny  fitondrana ankehitriny ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa koa, araka ny hevitr’izy ireo, ny famakiana ady an-kolaka ataony amin’ny katolika amin’izao fotoana izao satria Faritra be mpanaraka ity antokom-pinoana ity iny faritany iny. Mampitandrina ny fitondrana amin’ny mety ho vokatr’ireo fihetsika tsy mahomby natao taminy ireo, noho izany, ny Zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT