Mafana ny resaka politika ankehitriny ary misy fiantraikany amin’ny fiainam-piarahamonina. Niaraha-nahita sy nandre ny resaka fihantsiana sy herisetra niafara tamin’ny famoizana ain’olona,
toy ilay tamin’ny faran’ny herinandro teo, izay mpanara-dia ny kandida Marc Ravalomanana no lasibatra. Azo atao ny mifandresy lahatra ao anatin’ny fifanajana sy fifandaminana, ary ireny iaraha-mahita ireny ny sary isan-karazany maneho fa olona milamina sy misoroka ny herisetra ny mpanara-dia an’i Marc Ravalomanana, izay mahavita mandresy lahatra ny olom-pirenena na ireo heverina ho mpanohana ny kandida mpifanandrina aza, toy ireny manao t-shirt miloko volom-boasary ireny, izay misy hita any amin’ny propagandy fampandaniana an’i Marc Ravalomanana. Tsy mbola nisy angamba afaka hilaza na iray aza fa nanao herisetra na nanosi-bohontanana azy ireny fa ny nandray an-kafaliana aza no nataon’ny mpanara-dia an’i Marc Ravalomanana satria ity farany rahateo, dia ho filohan’ny Malagasy rehetra fa tsy ho filohan’ny TIM na ny KMMR. Misy ny manomboka tonga saina sy resy lahatra rehefa maheno ny ambaran’ny kandida Marc Ravalomanana na ny fanentanana ataon’ireo mpiara-dia aminy. Misy ireo avy miatrika propagandy na famoriam-bahoaka sy fety mifandraika amin’izany no tsy misalasala manohana avy eo na mbola manao ilay akanjo miloko volon-doranjy aza miara-dia sy manotrona ny propagandin’ny kandida laharana faha-25. Eo no hanimba ny kajikajin’ny kandida mety mampiasa volabe izay mihevitra fa mahazaka vahoaka, kanefa ny vola no alain’ny olona, fa ny faharesen-dahatra mety hiantefa any amin’ny kandida hafa, ary ireny efa iaraha-mahita ireny ny sasantsasany amin’ny endrika isehoan’izany. Misy mihitsy no sahy milaza fa “karama ireny sitrany ahay 10 000Ariary”.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.