Rakotra vahoaka resy lahatra sy baikon’ny fitiavan-tanindrazana any amin’izay toerana alehan’ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana. Tsy misy artista malaza ary tsy misy fizaran-javatra sy vola toy ny fanaon’ny sasany, fa baikon’ny finiavana sy ny fitiavana.
Misy ireo toerana efa nolalovany, toa an’i Mahajanga, Port Berger, Ambanja, Nosy Be, Bealalana,… izay vahoaka tsy tambo isaina feno fanantenana sy resy alahatra no nandray azy. Ankoatra ireny toerana notsidihina sy mbola hotsidihiny ireny, dia mifanentana ny Malagasy manerana ny Nosy hampandany azy, ary porofo iray mivaingana ny zava-nisy ny sabotsy 13 oktobra teo tamin’ny alalan’ny karnavaly goavana niainga teny amin’ny Foiben-toerana teny Bel’Air nihazo nitety tanàna, ary nipaka teny amin’ny Kianjan’Ambohijatovo. Rakotra vahoaka ary nangorom-potsy ny kianjan’Ambohijatovo, izay nentin’ny vahoaka nanaporofo fa mbola mafy i Marc Ravalomanana ary miandrandra azy ny Malagasy. Misaotra anareo rehetra tonga teo Ambohijatovo. Faly aho tena faly ary manome toky fa hihaona tsy ho ela aminareo, hoy ny hafatra avy aminy.
Tsy eto an-drenivohitra ihany fa manerana ny Nosy no manohana azy. Tany amin’iny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy iny ny tenany ny faran’ny herinandro teo. Nafana ny fihaonana tao Antsiranana ny sabotsy teo satria na tsy nanao “tam tam” be na doka nipoapoaka tamin’ny haino aman-jery tao an-toerana aza izy na tsy nisy mpanakanto maro be na afomanga sy sehoseho ivelany, na koa fizaram-bola toy ny ataon’ny sasany aza dia nahavory vahoaka be indrindra, raha ampitahaina amin’ireo kandida hafa izay mazava fa noho ny faharesen-dahatra no mahavory ny vahoaka fa tsy hijery fety. Vola hatrany amin’ny 40 tapitrisa ariary mahery anefa no nolaniana tamin’ny fanaovana doka tamin’ny orinasan-tserasera ny an’ny kandida iray, ankoatra ny famandrihana mpanakanto hatrany amin’ny 16, raha ny fanangonam-baovao. Vahoaka tsy tambo isaina no nandray azy tany Antsirabe-Nord. Torak’izany ny tany Ampanefena izay toerana lavitra sady ratsy lalana ny mankany. Tsy ataoko mahalavi-tany anefa izany. Amboarintsika indray ny lalana ary hataontsika tsara mba hivoahan'ny vokatra sy hahamora ny fifamoivoizana, hoy izy. Toraka izay ihany koa ny tany Daraina. Araka ny voasoaratra ao anatin'ny Manifesto na fanomezan-toky ataoko aminareo dia hiantoka ny fitsinjarana sy fanapariaham-pahefana tena izy aho, hoy izy. Fifidianana fa tsy fanendrena tompon'andraikatra isan'ambaratongany no atao. Tao Ambilobe Sirama kosa, dia tonga eto aho hijery sy hihaino anareo, azoko ny olana mianjady aminareo. Manana vahaolana isika, haintsika ny manorina. "Mpanangana fa tsy mpandrava isika". Fidio i Dada amin'ny 7 novambra 2018, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Tany Mananara Avaratra ihany koa i Marc Ravalomanana, ary efa karazana horakoram-pandresena no nasetrin’ny vahoaka tsy tambo isaina ny fahatongavany sy ny fahavononan’izy ireo handrotsa-bato ho azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.