Politique

Zanak’Ambatondrazaka monina eto Antananarivo « Tokony ho avy any aminay ny minisitry ny fambolena sy asa vaventy”


  • Alakamisy 15 Janoary 2015

Nampiaka-peo omaly nanoloana ny mpanao gazety tafaresaka taminy, ny fikambanan’ny zanak’Ambatondrazaka monina eto Antananarivo notarihan’Atoa Andriamisarilanitra Simon Marc filohany, fa tokony mba hijery an’Ambatondrazaka amin’izay ireo

mpanatanteraka vaovao  ho avy hitantana ny firenena eo. Mifandray tsy tapaka amin’ireo any an-toerana izahay ka tena mahafantatra fa ny haratsin’ny lalana mifandray amin’ny manodidina sy fotodrafitrasa manodidina ny famokaram-bary ho hitoeran’ny olana any amin’ity sompitr’i Madagasikara ity. Ireo lalana mivoaka ny tanàna indrindra toa ny ao amin’ny Raber Ignace, Manambondro, Rafotsy, Café Jirama sy ny eny Manainga Zipo no tena tiana ambara eto fa sakana ho an’ny fivezivezena sy fifandraisana amin’ny manodidina. Tsy mbola hitan’ny mpamboly hatreto ny lelavola nampanantenaina tamin’ilay tetikasa fambolena nodradradradraina tany an-toerana. Tsy milamina sy tsy mirindra ny resaka fampisamboram-bola Otiv sy Secam ilain’ny tantsaha. Vaky ny barazy ao Manantenina  mila jeren’ny fanjakana ary mila tohizana koa ny fanamboarana ny RN 44 tapaka niaraka tamin’ny minisitry ny asa vaventy teo aloha teny amin’ny Kongresin’ny lalàna farany fa tsy maintsy hatao. Hampilamina anay raha olona avy aty amin’ny Faritra no hotendrena ho minisitry ny fambolena sy ny asa vaventy amin’izany, hoy ity filohan’ny zanak’Ambatondrazaka ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT