Politique

Zakahely Boniface “Tsy ho vanona io fifidianana io…”


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

“Tsy ho vanona ny fifidianana hitako”, hoy ny mpanao politika Zakahely Boniface.

 

 

Taom-piasam-pitondrana miisa efatra no efa hitako, hoy ny tenany fa hafa mihitsy ity indray mandeha . Voazimbazimba ny kolontsaina fanajana Raiamandreny. Olona nandika lalàna no notendrena hanao lalàna. Amiko, tokony ho CCC na hoe “Conseil de Cour Constitutionnelle” no hiantsoana ny HCC fa tsy “Haute Cour Constitutionnelle” na hoe Fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Raha izay dia mba tsy nivaona tamin’ny lalàmpanorenana ny fanapahan-keviny. Ny zava-misy amin’izao dia noho ny tsindry ataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo firenen-kafa no handraisana ny fanapahan-kevitra eto. Amiko, hoy i Zakahely Boniface dia “atahorako fa afaka fito taona raha be indrindra dia hisy ady an-trano eto raha mbola mitohy amin’izao”. Efa tsy lojika intsony izany filohan’ny tetezamita nosalorana samboady sy nahavita nitondra dimy taona mitovy amin’ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voafaritry ny lalàmpanorenena izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT