Tsy governemantan’ny marimaritra iraisana izany no eto, hoy ny mpanao politika, Zakahely Boniface.
Io no mampisy disadisa eto satria saika ireo nampandany ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny fihodinana faharoa avokoa no ao anatiny. Fifidianana hiteraka faty olona tsy hifankahitana no hitranga eto raha io no mijanona eo. Ny filohan’ny tetezamita teo aloha ve, hoy izy, dia tsy mahagaga anareo hoe : maninona no malalaka amin’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ? Tokony horavana io governemanta io dia averina amin’ny voalazan’ny lalàmpanorenana ny fomba hanendrena azy amin’izay rehefa milamina ny tany dia tsy misy sahy mandray fanapahan-kevitra mivoana amin’ny lalàna, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.