Politique

Zafilahy Stanislas Olona mihazakazaka asa toa an-dRavalomanana no ilain’ny firenena


  • Alakamisy 05 Febroary 2015

Fihavanana izao no atao ka raha mbola resaka fanenjehana sy fankahalana dia tsy any intsony izany, hoy i Zafilahy Stanislasa tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia, ary misy ny AV7 milaza ny marina satria ny hanavotra ny

 
firenena no atao. Hanambatra hery, hono, Ambodivona amin’ny fifidianana. Raha nalalaka sy madio ny farany teo dia Ravalomanana avokoa no nandresy ary ilay tenin-dry zareo hoe 95% no ho lasanay amin’izahay mitambatra izao  dia tena diso satria i Dr Jean Louis Robinson notohanan-dRavalomanana no nahazoany 46% fa rehefa tsy misy fanohanana dia 0,% ka raha hitambatra ny Ambodivona dia 0, % vitsivitsy no hitambatra, hiady mafy ny HVM fa  raha malalaka Ravalomanana dia mazava ny tarehimarika ka mivoaka ny safidim-bahoaka marina. Olona mihazakazaka amin’ny asa toa an-dRavalomanana no ilain’ny firenena ka izy no mahafantatra ny olona afaka hanao izany dia ao aoarin’ny kandida omeny isika. Na mahazo salanisa tsara be aza isika any amin’ny Faritra, tsy misy dikany raha votsotra Antananarivo, ka eto foana izahay CT sy CST teo aloha vonona hiaro izany ho an’ity renivohitra ity.

Mila mandresy isika hanomanana ny ho avy, hoy i Mamisoa Ambatolampy, ary nahazo tso-drano tamin’ny ray aman-dreny. Ny AV7 aza miady an-trano ka isika tsy hanao sorona an’i Dada ka raha tsy misy ny fiovana goavana dia tsy mamaly ny fanasana i Dada, fandrika be ka  hangatahantsika tsy ho any izy na dia ao anatin’ny fampihavanana aza ny firenena satria ny sasany dia havanana amin’ny famadihana resaka. Tsy maintsy hafanaina ny fatana fa sarotra ny mamelona azy. Tanteraka avokoa ny fikasana rehetra ary mbola misy ny andrasana, matoa tonga an-kianja hatrany na ratsy aza ny andro,  tsy avela miala aina ny tolona ary mitaky hatrany ny filoha halalaka tanteraka isika, ny Tiko sy ny haino amanjery misokatra. Mila manomana koa ny fifidianana kaominaly ary mila miasa sy sahy ary mifampatoky, izany no top azo.

Tsy hisy ny “parachutage” eo amin’ny kandida amin’ny fifidianana ho avy, hoy Rarison Hilarion, fa i prezida   Ravalomanana no tompon’andraikitra voalohany amin’ny kandidany. Ny CT sy CST tsy mody raha tsy tratran’ny tanjona farany ary tsy mitady toerana ao amin’ny fitondrana satria fananan’ny HVM io. Vato iray mitovy Valera, ka tokony hitovy lenta avokoa ny lehiben’ny antoko.

 

RHR/Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT