Efa vonona tanteraka ny Filoha Marc Ravalomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Io no fanambarana nataon’i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny hetsika ny sabotsy 11 Aogositra farany teo manoloana ireo mpitolona tonga teny an-toerana. Misy fotoana ny zavatra rehetra ary efa vonona izy amin’ny angady sy ny harona hoy hatrany izy nandritra ny kabary nataony.
Maro ny adidy aman’andraikitra mbola hiantsorohan’ny filoha Ravalomanana indrindra ny maha filohan’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taonan’ny nidiran’ny baiboly teto Madagasikara azy. Asan’Andriamanitra ireny rehetra ireny ary tsy azo avela saingy fotoana sisa no isaina dia ho avy handrotsaka ny maha-kandida azy Dada. Tahaka ny ao amin’ny sehatry ny finoana ihany dia efa mirindra amin’ny antsakany sy andavany ny tetika sy ny paikady rehetra hiatrehana ny fifidianana sy hanavotana haingana ny firenena. Nanambara ihany koa Zafilahy Stanislas fa amin’ny maha-kandida lehibe sy nahavita azy an’I Dada dia maro hatrany ireo antoko politika sy fikambanana ary ireo olon-tsotra manantona azy izay mametraka fitokisana sy te hiara-hiasa aminy ka miandry fatratra ny firotsahany. Manoloana ireo tsaho sy resabe ary ireo paikady fanaratsiana aelin’ny mpifanandrina sasany noho ny fahatahorana an’I Dada dia nanamafy hatrany teo anantrehan’ny mpitolona i Zafilahy Stanislas fa tsy tokony hiroharoha saina ny rehetra fa kandida ho filoham-pirenena ary efa vonona tanteraka ny filoha Marc Ravalomanana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.