Hiroso amin’ny fampihavanana tena izy ny Vondron’ny mpanohitra manaraka ny ara-dalŕna eto Madagasikara ( VPMAM) sy ny Tangalamena. Ny 15 desambra ho avy izao no hanataterahana izany etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina izay natao indrindra hampihavanana ny foko rehetra hisian’ny fiarahamonina mirindra tsy misy raorao
Hisy ny fampisehoana ireo karazana paikady rehetra sy ny fomba amam-panao malagasy amin’io fotoana io hatrehin’ireo ampanjaka, ny mpitankazomanga, ny sojabe, hotarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Tsy fanompoan-tsampy no hatao amin’izany raha araka ny fanazavan’i Max Fabien filohan’ny VPMAM fa fanajana ny fomba amam-panao sy ny soatoavina Malagasy, arahin’ny fitehirizana ireo karazana kolontsaina mampiavaka antsika. Miantso ny Malagasy rehetra ny tenany, araka izany, mba tsy hiahotra fa hanao izany ho zava-dehibe tokoa ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny rehetra. Mikasika ny fampihavanana nokarakarain’ny raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM manokana moa dia notsindrian’izy ireo fa maha te hidera tokoa saingy tsy ampy noho ny fisian’ireo Malagasy sasany tsy voakasika sy tsy nahazoana hevitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.