Efa ela ihany no nihirahirana ny fampihavanam-pirenena teto amintsika fa tsy tanteraka hatramin’izao, hoy i Max Fabien, filoham-boninahitry ny VPMAM na ny vondron’ny mpanohitra manaraka ny ara-dalŕna
. Efa nandray anjara tamin’izany avokoa, hoy izy ny raiamandreny am-panahy FFKM, ny FFM …saingy niala maina avokoa. Mba tena hahafahana manatanteraka izany marina ary dia nanatanteraka fivoriam-be tetsy Andrefanambohijanahary izy ireo omaly, nahitana ireo komity manomana ny fihaonam-ben’ny mpanohitra, ny CRN, ny filohan’ny filankevitra fampihavanana Malagasy, ny tangalamena notronin’ny filoha nasionaliny Ramandimbison Paul. Tanjona tamin’izao diniky ny samy Malagasy izao ny nakana ny hevitry ny tsirairay hahafahana manatanteraka ny fampihavanam-pirenena marina, indrindra fa ireo tangalamena. Tsy mbola nahenoana feno mihitsy mantsy ireto farany raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny VPMAM ihany ka izany indrindra no naharesy lahatra azy hiantso azy ireo. Fantatra tamin’izany ary fa hampivory ny tangalamena rehetra manerana ny Nosy izy ireo ato ho ato hahafahana manadio ny firenena. Ankoatra izay dia manao antso avo amin’ny mpiray tanindrazana rehetra ihany koa i Max Fabien hahafahana manao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.