Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben’ny antoko politika Otrikafo etsy Andravoahangy omaly ny vovonana politika RMTF na rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana ifotony.
Antom-pijoroanay tao anatin’ny 2 taona sy tapany, hoy izy ireo, ny filazana fa tokony hialoha ny fifidianana ny fanorenana ifotony. Noporofoin’ny zava-misy ankehitriny ny fahamarinan’ny hevitray, hoy ity vovonana ity. Voamarina fa feno hosoka sy halatra ny fifidianana natao. Tompon’antoka amin’izao korontana izao ny fianakaviambe iraisampirenena, ny CENI, ny HCC ary ny governemanta. Tokony hosaziana koa, hoy izy ireo ny fianakaviambe iraisampirenena. Toy ny tao Congo izao dia nesorin’izy ireo tao ny fianakaviambe iraisampirenena. Misy ny sazy mifanandrify amin’ireny sehatra iraisampirenena mitsabaka amin’ny raharaham-pirenen’ny hafa ireny. Tsy ekenay, hoy izy ireo, ny filoham-pirenena lany tamin’ny halatra sy hosoka ka foano aloha iny fifidianana feno hosoka sy halatra iny ary miantso ireo raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana ary tafika handray ny andraikiny. Hamory haingana ireo mpanao politika hamolavola fifanarahana politika hanarenana ny firenena, hoy hatrany ny RMTF.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.