Nanao fanambarana tetsy amin’ny Maestro Betongolo koa ry zareo avy eo anivon’ny « Grand rassemblement pour la réfondation de Madagascar » omaly talata 29 mey izay ahitana fikambanana politika,
sendika ary fiarahamonim-pirenena maromaro fa miantoka fahombiazana lehibe ho an’ny firenena ny fanaovana fifanarahana politika andraisan’ny ankolafin-kery misy eto amin’ny firenena manoloana izao toe-draharaha ankehitriny izao. Zava-dehibe ho an’ny firenena, hoy izy ireo, ny fanorenana ifotony amin’ny lafiny rehetra ka noho izany dia miteraka krizy vaovao ny fifidianana an-kamehana. Miantso ny FFKM, ny CFM ary ny foloalindahy, araka izany ity vovonana ity mba hampivory ao anatin’ny fotoana fohy ny hery politika rehetra misy eto amin’ny firenena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.