Politique

VOT Miantso ny olona ho tompon’andraikitra manoloana ny fifidianana


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny Vondron’Olon-Tsotra (VOT) tarihin’ny filohany Rtoa Sarah Zoé manoloana ny toe-draharaham-pirenena.

 

 

 

 

 Tsy mbola nilaza izay olona hotohanany anefa ny VOT na ny fanentanana ny sarambabem-bahoaka mba handray anjara amin’ny fifidianana fa kosa miantso sy manentana ireto farany mba ho mailo. Betsaka, hoy i Sarah Zoé, ireo zava-mitranga eto amin’ny firenena tsy hampoizina ankehitriny. Anisan’ireny ny fifankahalan’ny mpiarabelona noho ny fisian’ny hevitra tsy mitovy izay miafara amin’ny fifamonoana. Misy indray ireo andian’olona tonga dia maka ny kara-panondron’ny iray trano ary manery azy ireo tsy maintsy hifidy kandida iray izay tsy vokatry ny safidiny fa noho ny didin’ny be sandry. Tokony hofehezina anefa izany, rehefa isika vahoaka eny ifotony no mandray andraikitra ary mijoro vonona hampanjaka ny fahamarinana. Miantso ny rehetra mba ho mailo ny VOT ka tsy hivarotra ny fanahiny amina vola 3.000 Ar fa mba tena hiaro ny safidiny marina. Miankina amin’ny safidin’ny tsirairay mantsy ny hoavin’ny firenena koa aoka tsy hiraviravy tanana fa samy ho vonona handray ny andraikiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT