Nitohy tany andrefan’ny Nosy ny fampielezan-kevitry ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana omaly 25 oktobra, dia tao Mahajanga, Marovoay, Ambatoboeny, Madirovalo, Mazomà, Bevilany ary Maevatanana.
Nasiany resaka tao Mahajanga ny tsy fananan’asa, izay noho ny tsy fihodinan’ny orinasa nitsangana teo aloha sy ny tsy fananan’ny te hanangana orinasa renivola (fonds) ary ny tsy fahitana mpiara-miombon’antoka (partenaire) no antony, ary nanome toky fa manana vahaolana amin’izany i Marc Ravalomanana. Naneho ny heviny mikasika ny fifidianana ny tenany, ka nilazany fa efa mamatsy vola ny Frantsay, ny Norveziana,… amin’ny alalan’ny SACEM, ka raha tsy tanteraka amin’ny daty voatondro ny fifidianana dia tsy hamatsy vola intsony ny avy any ivelany, ary hihemotra telo volana, iray taona, dimy taona, toy ny tetezamita indray izany, raha ny fanehoan-keviny. Tao Marovoay kosa dia ny fanamboaran-dalana sy tetezana ary ny famerenana ny fanapariahana sy fitsinjaram-pahefana tena izy no nohamafisiny. Raha fanapariahana sy fitsinjaram-pahefana (déconcentration et décentralisation), dia azo hampatsiahivina fa nisy famatsiam-bola avy amin’ny PNUD sy UNICEF ny taona 2006 sy 2007, ka minisitera fito no nanombohana ny fanadihadiana sy nametrahana tetikasa hanatanterahana izany. Tany Madirovalo kosa, dia nanome tsodrano sy nampahatsiahy ireo zava-bitan’ny kandidà Marc Ravalomanana ny ray aman-dreny tao an-tanàna ka hiverina eo amin’ny fitondrana indray izy, hoy izy ireo. Tsiahivina ihany ny teniny teny Faravohitra ny 23 oktobra teo, fa misy ny fetra azo leferina ary misy ny tsy azo leferina rehefa hita miharihary momba io fifidianana io. Ny kandidà laharana faha-25 kosa dia nanamafy ny tokony hikajiana ny soatoavina, haverina ny fitsaboana ary omena sakafo avokoa ny vahoaka. Hanangana orinasa madinika sy salantsalany amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa Alema dia ny GIZ isika, hoy izy. Mipetrapetraka ny fanatanterahana ny fanamby ao anaty “manifesto”, ka nohamafisiny, fa efa voarafitry ny manampahaizana eto an-toerana sy avy any ivelany ary hita ao avokoa ny vahaolana amin'ny fiainantsika ary efa ahitana famatsiam-bola izany, hoy izy tao Manerinerina. Nitohy tany Alaotra ny dia, tao Morarano Chrome, Amparafaravola, Ambatondrazaka, izay nanamafisany ny hanamboarana ny RN44 ka hivoaka ny vokatra, hitombo ny fidiram-bola, manaraka ho azy ny fandriampahalemana. Tany Toamasina avy eo ny takariva, ka ka na efa hariva aza ny andro ary efa reraka ny feon’i Marc Ravalomanana dia nafana ny fihaonana tamin’ny vahoaka. Amboarina ny lalana mankany Toamasina sy ny ao an-tanàna, haverina ny fandriampahalemana, hokarakaraina ny fahasalaman’ny olona, ny fampianarana hoavin’ny taranaka. Ny zanakareo, dia zanako ihany koa, ka aza matahotra minoa fotsiny ihany, fa tsy havelan’i Dada hahantra intsony ny zanany, ary hanao ny faraheriko aho hanarina ny firenena, hoy izy. Hatao izay hitsanganan’ny orinasa madinika sy salantsalany, hahafahan’ny vahoaka miasa sy mihary.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.