Politique

Vonjy Iray Tsy Mivaky Nivoaka tamin’ny fahanginany


  • Zoma 07 Septambra 2018

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitr’ireo antoko politika manoloana ny fifidianana.

 

 Nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa ny antoko politika Vonjy Iray Tsy Mivaky. Nifidy ny tsy naneho hevitra mihitsy izy ireo saingy nanaraka akaiky hatrany ny raharaham-pirenena, araka ny tatitry ny filohany, Razanabahiny Marojama Christian. Fotoana handraisana andraikitra kosa anefa izao ka nanatanteraka fivoriana lehibe tetsy amin’ny hotely Le Louvre ny fikambanana omaly alakamisy 06 septambra. Manatanteraka fidinana any amin’ireo faritanin’i Madagasikara ny solontenan’ny antoko amin’izao fotoana ho fampivondronana ny rehetra. Aorian’izay dia hisy ny fihaonambe nasionaly hatao amin’ity volana septambra ity handraisan’ny antoko ny fanapahan-kevitra ny amin’ny raharahan’ny antoko sy ny raharaham-pirenena, indrindra mahakasika ny fifidianana ho avy. Mety hisy ny fanohanana kandida, hoy izy ireo saingy miankina amin’io fihaonana io ny handraisana ny fanapahan-kevitra. Nanambara ihany koa ity antoko politika ity fa mety amin’izy ireo avokoa na hahemotra na hatao ny fifidianana satria efa mivonona ny amin’izay ny fikambanana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT