Maro ny tanora vonona hisedra ny safidim-bahoaka, ka mirotsaka hofidiana Ben’ny tanŕna. Anisan’ireny i Vonjy Be na Raharinisa Vonjiniana, kandida ao Ambohibao Antehiroka ary efa nametraka ny dosieny teny amin’ny OVEC Ambohidratrimo. Nisy ny resadresaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana : Fa iza marina moa izany Vonjy Be izany ?
Vonjy Be : I VB dia zaza lehibe tety Antehiroka ary tena zanaky ny tanàna satria dia efa hatramin ny reniben’ny rainy no mpampianatra tao amin’ny EPP Ambohibao.
Nahazo ny fomba fitaizana araka izay tokony ho izy satria dia niaina hatrany teny anivon’ny sampana teny am-piangonana, nandalo fitaizana tao amin’ny Sekoly Alahady, Skoto, Chorale, ary koa efa nitarika Ny Tanora Kristianina tao amin’ny FJKM Ambohibao. Mpianatra tao amin’ny Kolejy Antanetibe Antehiroka alohan ny BACC dia avy eo nandranto teny amin’ny anjerimanontolo sy tamin’ny sekoly ambony tsy miankina. Ary ny raiko dia anisan’ny olona efa nitondra ny Fokontany Ambohibao nandritry ny fotoana maro.
Tia Tanindrazana : Firenena nandalo krizy i Madagasikara, sahirana hatramin’ny Kaominina. Inona no nanosika anao hirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna fa tsy nanao zavatra hafa, ianao rahateo mbola tanora ?
Vonjy Be : Nandalo krizy lavareny tokoa ny firenana ary ny tanora no tena lasibatra tamin’izany na dia samy voa daholo aza ny ankamaroan’ny olona. Malahelo ny tenako amin’ny maha tanora ahy dia hijoro aho mba hanampiako an’ireo tanora namako amin’ny lafiny rehetra na fampianarana io na ny arak’asa. Ny tanora no hoavin ny firenena, hoy ny fitenenana. Ny tenako rahateo efa nitazona toerana ambony tamin’ireo orinasa niasako. Hinoako fa hananako ny fahalalana entina manampy ny mpiarabelona amiko, ary tsy ny tanora ihany fa ny zokiolona koa, izany no antony hiarahako miasa amin’ireo raiamandreny eto an-tanàna satria raha ny salan-taonanay mandrafitra io lisitra miaraka amiko io dia 50,3 taona.
Novaliako tato anatiko ny fanontaniana hoe : “toy inona ny Kaominina mandroso?” rehefa voavaliko izay dia hoy aho hoe : “Vonona aho” , ndao hijoro hamerina ny maha Antehiroka an’Antehiroka
Tia Tanidrazana : Nirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina ianao, inona no anton’io safidy io ?
Vonjy Be : Nanana ny safidiny ny antoko niarahako izay tsy hanomezan-tsiny azy. Malalaka izany ary hajaiko tanteraka. Fa raha izaho manokana anefa no mandinika dia fomba fijery vaovao, fomba fitantanana vaovao misokatra amin’ny vahoaka, ny mpandraharaha sy ny amin’ny Kaominina hafa no ilaina amin’izao fotoana fa tsy ny fitohizan’ny tsy fahombiazana nisy hatramin’izay. Maro ireo Ben’ny tanàna nandalo teo ary nampanantena zavatra maro fa hatramin’izao dia ny Kaominina Antehiroka no taraiky. Ohatra : ny lycée, ny trano fidiovana.
Tia Tanindrazana : Miovaova eny an-dalana ny fepetra mifehy ity fifidianana irotsahanao ity, farany teo izao ny resaka bileta tokana tsy asiana sary sy anaran’ny kandida. Ny hevitrao ?
Vonjy Be : Mampanahy be ihany ilay izy satria dia toa misy angaha mpifaninana tiana homena tombony amin’izy io. Izahay anefa tsy matahotra fa efa ela no niarahana tamin’ny vahoakan’Antehiroka. Mila miasa mafimafy kokoa amin’ny fanatanterahana.
Tia Tanindrazana : Ambohibao Antehiroka toy inona no nofinofinareo afaka dimy na folo taona ?
Vonjy Be :Afaka dimy na folo taona ny mponina Antehiroka dia hirehareha sy ho faly fa maro ireo fotodrafitrasa maharitra izay kasaina hotanterahina hanatsarana ny tanàna, hitaizana ny tanora, hanatsarana ny fiainana izay tsy mbola tsynisy tety hatramin’izay. Maro ihany koa ny fiaraha-miasa hiarahana amin’ireo sokajin’olona samy hafa (tantsaha, mpanjono ...) mba samy hanana ny anjarany ny rehetra amin’izany fandrosoana tiana hapetraka izany. Hiaina ao anaty tanàna moderina misy fandriampahalemana ary koa hifandray bebe kokoa amin’ireo mpandraharaha teratany sy vahiny monina eto Antehiroka. Raha bangoina amin’ny teny fohy dia “Fampandrosoana Maharitra ho an’ny sarambabem-bahoaka” sy ny tanàna ety Antehiroka no hisy amin’ireo taona ho avy ireo.
Nangonin’i Jean D.
“Vonona aho”, hoy i Vonjy Be
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.