Fiarovana ranoray ny fitondram-panjakana ny votoatin’ny valandresaka nataon’ny «Les Autres Sensibilités» omaly teny Antaninarenina. Voaaro manokana ihany koa ny minisitry ny Atitany izay olona natolotry ny «Les As» manoloana ilay volavolan-dalŕna fanovana ny sata mifehy ny renivohitra miteraka resabe ankehitriny.
Mijanona eo amin’ny fampihavanana ireo filoha efatra nifandimby ny andraikitry ny FFKM, hoy ny filohan’ity fikambanana ity Voninahitsy Jean Eugène. Anjaran’ny FFM kosa ny miandraikitra ny fampihavanam-pirenena saingy ilaina ny fanovana ireo mpikambana ao anatiny, hoy ity mpanao politika ity. Voatsikera ihany koa moa ny mpanao gazety manoloana ny fitrandraham-baovao tsy ahitana porofo mivaingana tamin’ity fihaonana ity.
Fahazoan-tseza na fanagadrana
Mifototra amin’ny fahazoan-tseza ny fanaovana politika, hoy ity mpanolotsain’ny filohan’ny Repoblika ity. Fihetsika raiki-tapisaka ao anatin’ireo mpanao politika ny manohitra rehefa very seza ka mitarika olona midina an-dalambe. Misy takalony anefa izy io dia ny fisamborana izay miafara amin’ny fanagadrana ireo mpitarika ny hetsika izay tsy mitranga matetika ka aza manaiky horebirebena intsony ianareo vahoaka madinika. Traikefa efa niainako avokoa ireo ary hireharehako toy ny fananana diplaoma manokana ny nigadrako, hoy i Voninahitsy Jean Eugène. Nampalaza ahy ny nogadraina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.